Nitranga indray ny tranga fanararaotana ankizy tsy ampy taona any aminβny faritra fizahan-tany, rehefa voasambotra tao Nosy Be ny lehilahy teratany Frantsay, 49 taona, noho ny fiampangΓ na azy ho nanodikodina ankizivavy 15 taona.
Araka ny fampitam-baovao azo avy aminβny mpitandro filaminana, tratra ambodiomby teo am-panaovana fihetsika manafintohina ilay vahiny, raha nifandray akaiky taminβilay zazavavy. Efa nahabe ahiahy ny fifampiresahana sy ny fifampikasohany miverimberina taminβilay zaza, ka nahatonga ny polisy hanara-maso akaiky azy.
πππ¦π©ππ§ππ§πππ§π π―π¨π₯π π¬π² ππ’ππ₯ππ§π π‘π¨ ππ§π² π’π―ππ₯ππ§π²
Voalaza fa nampanantena vola sy fiainana Β« tsara kokoa Β» any Frantsa ilay lehilahy, ka nosintoniny ny sainβilay ankizivavy taminβny fampanantenana handefasany vola isan-kerinandro rehefa tafody any aminβny fireneny. Io resaka mampirisika sy manodikodina io indrindra no nahatonga ny zaza hiditra anaty fandrika, izay tsy fantany akory ny voka-dratsiny.
Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro filaminana, ka nosamborina avy hatrany ilay Frantsay teo am-panaovana fihetsika tsy mendrika sady manitsakitsaka lalΓ na mifehy ny fiarovana ny ankizy.
π π’π€ππ«π¨π‘ππ§π π¬π² ππ’π§π ππ§π ππ«π-π©π’ππ¬ππ«ππ§π
Efa miatrika fanadihadiana lalina ilay voarohirohy. Araka ny lalΓ na malagasy, heloka bevava mavesatra ny fanararaotana sy fandrikodinam-pitondrana ankizy tsy ampy taona, indrindra raha olona vahiny no manao izany. Andrasana aminβizao fotoana izao ny fepetra ara-pitsarana horaisinβny Fitsarana ao Nosy Be.
ππ§ππ¬π¨ ππ―π¨ π‘π¨ ππ§βπ§π² ππ’ππ«ππ‘ππ¦π¨π§π’π§π
Mitohy ny antso ataonβny manampahefana ho anβny ray aman-dreny, ny mpiara-monina ary ny mpandraharaha eny an-toerana mba ho mailo aminβny fitondran-tena mampiahiahy ataonβny vahiny na olona hafa aminβny ankizy. Mbola isanβireo olana manahirana ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagasikara ny fanararaotana ankizy, ka ilaina ny fiaraha-mientanβny rehetra aminβny fandraisana fepetra sy fanakanana izany.
Nangonin’i Bevomaso




