π‹π„π‡πˆπ‹π€π‡π˜ π…π‘π€ππ“π’π€π˜ 𝐄𝐅𝐀 πŸ’πŸ— π“π€πŽππ€ πŒπ€π‡π„π‘π˜, 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 ππ€ππŽπƒπˆπŠπŽπƒπˆππ€ π€ππŠπˆπ™πˆπ•π€π•π˜ πŸπŸ“ π“π€πŽππ€ π“π€πŽ ππŽπ’π˜ 𝐁𝐄

88 0

Nitranga indray ny tranga fanararaotana ankizy tsy ampy taona any amin’ny faritra fizahan-tany, rehefa voasambotra tao Nosy Be ny lehilahy teratany Frantsay, 49 taona, noho ny fiampangΓ na azy ho nanodikodina ankizivavy 15 taona.

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana, tratra ambodiomby teo am-panaovana fihetsika manafintohina ilay vahiny, raha nifandray akaiky tamin’ilay zazavavy. Efa nahabe ahiahy ny fifampiresahana sy ny fifampikasohany miverimberina tamin’ilay zaza, ka nahatonga ny polisy hanara-maso akaiky azy.

𝐍𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐯𝐨π₯𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐒𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧𝐲 𝐒𝐯𝐞π₯𝐚𝐧𝐲

Voalaza fa nampanantena vola sy fiainana Β« tsara kokoa Β» any Frantsa ilay lehilahy, ka nosintoniny ny sain’ilay ankizivavy tamin’ny fampanantenana handefasany vola isan-kerinandro rehefa tafody any amin’ny fireneny. Io resaka mampirisika sy manodikodina io indrindra no nahatonga ny zaza hiditra anaty fandrika, izay tsy fantany akory ny voka-dratsiny.
Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro filaminana, ka nosamborina avy hatrany ilay Frantsay teo am-panaovana fihetsika tsy mendrika sady manitsakitsaka lalΓ na mifehy ny fiarovana ny ankizy.

π…π’π€πšπ«π¨π‘πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐝𝐒𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Efa miatrika fanadihadiana lalina ilay voarohirohy. Araka ny lalΓ na malagasy, heloka bevava mavesatra ny fanararaotana sy fandrikodinam-pitondrana ankizy tsy ampy taona, indrindra raha olona vahiny no manao izany. Andrasana amin’izao fotoana izao ny fepetra ara-pitsarana horaisin’ny Fitsarana ao Nosy Be.

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨 𝐚𝐯𝐨 𝐑𝐨 πšπ§β€™π§π² 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐨𝐧𝐒𝐧𝐚

Mitohy ny antso ataon’ny manampahefana ho an’ny ray aman-dreny, ny mpiara-monina ary ny mpandraharaha eny an-toerana mba ho mailo amin’ny fitondran-tena mampiahiahy ataon’ny vahiny na olona hafa amin’ny ankizy. Mbola isan’ireo olana manahirana ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagasikara ny fanararaotana ankizy, ka ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fandraisana fepetra sy fanakanana izany.

Nangonin’i Bevomaso

Related Post

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…

𝐎𝐌𝐁𝐘 π…πŽπ‹πŽ 𝐍𝐎 ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€ππ€ π…πŽπŒπ„π‹π€ π‡πŽπ€π’𝐈 πƒπˆπŽπ’π„π™π˜

Posted by - avril 14, 2024 0
πŸ’’ 𝐎𝐌𝐁𝐘 π…πŽπ‹πŽ 𝐍𝐎 ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€ππ€ π…πŽπŒπ„π‹π€ π‡πŽπ€π’𝐈 πƒπˆπŽπ’π„π™π˜ π’π˜ πˆπ‘π„πŽ πŠπŽπŒπˆππˆππ€ ππ€ππŽπ“π‘πŽππ€ π’π˜ ππˆπ€π‘π€ ππˆπ•π€π•π€πŠπ€ ππ€ππƒπ‘πˆπ“π‘π€ 𝐍𝐘 π…π€ππ€πŒπ€π’πˆππ€ππ€…