Fort-Dauphin – Notokanana ny Sekoly EPP Ambinanibe

189 0
Androany faha 16 Aogostra 2024 no notokanana ny Sekoly EPP Ambinanibe Fort-Dauphin ao amin’ny ZAP 3 CISCO Tolagnaro izay nahitana efitrano malalaka miisa 02 sy efitrano famakiamboky 01 .
Tsara marihana fa ity Sekoly izay ity dia efa misy dabilio miisa 50 .
Tonga nanatrika izao fanokanana izao ny Gouvernora ny Faritra ANÔSY sy ny solombavambahoaka izay voafidy teto TOLAGNARO Andriamatoa Chabani NORDINE sy ireo Talem-paritra rehetra eto an-toerana izay nahitana ny Mpitantana ny DREN ANÔSY, tom-ponandraikitra voalohany amin’ny Fampianarana eto Tolagnaro.
Fantatra fa volan’ny Faritra ANÔSY madiodio izay niarahana amin’ny Fitondrampanjakana no nentina nanamboarana an’ity Sekoly ity.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…