Tsy latsa-danja amin`ny fitoriana filazantsara ataon`ny fiangonana adventiste toa misy any amin`ny distrika hafa ny eto Mandritsara. Nanomboka ny 18 ary tsy hifarana raha tsy 31 may 2025 ny famelabelarana an-tsoratra masina Impact 2025 izay ataon`izy ireo. Tomefy olona ny ao amin`ny stade municipal isaka ariva fotoana anaovana ny famelabelarana.
Ny pastora Abrao Mamphulussa Mututu avy any Mozambika no mitondra fampianarana, pastora Razakatianjanahary kosa no mpandika teny.
Manomboka aminβny 6 ora hariva, fotoana natokana ho anβny ankizy , torohevitra ara-pahasalamana rehefa izay fampitana ny hafatra. Hakotroka ny famaranana izany 31 may izao satria efa samy velona tao an-tsain`izay tonga teto ny vokatsoa tamin`ny fampianarana azo teto nandritra herinandro vitsy lasa.