πŸπŸ“ πƒπ„π’π€πŒππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ“ | π…π’π­π¨π€πšπ§πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐒𝐯𝐞𝐫𝐬𝐒𝐭𝐞𝐧’𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲

24 0
Tontosa omaly tao Soavinandriana ny fitokanana ny Oniversiten’Itasy. Tonga nisolo tena an’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika nitokana izany ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Kolonely ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin, notronin’Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika ary ireo tomponandraiki-panjakana ao amin’ny faritra Itasy.
Notokanana tamin’izany:
– ny « BΓ’timent polyvalent 1Β Β», izay ahitana ny Radion’ny Oniversiten’Itasy, ny « Laboratoire informatique et de la TΓ©lΓ©communicationΒ Β»;
– ny trano ho an’ny mpianatra sy ny tobim-pahasalamana natao ho an’ny mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha ;
– ny « BΓ’timent polyvalent 2 sy 3Β Β» izay ahitana birao, trano fianarana sy trano famakiam-boky ary laboratoara manokana;
– ny « AmphithéÒtreΒ Β», natao handraisana hetsika sy seho lehibe isan-karazany.
Raha tsiahivina, tamin’ny taona 2015 no nitsangana ny Oniversiten’Itasy ary mbola niankina tamin’ny Oniversiten’Antananarivo izy tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny kosa, efa mahaleo tena ity Oniversite ity.
Ahitana sekoly ambony manofana ho injeniera, sekoly ambony momba ny lalΓ na, ny toekarena sy ny fitantanana, sekoly ambony mampiofana ho mpitsabo mpanampy, sekoly ambony momba ny siantsa sy ny teknΓ΄lΓ΄jia, ary sekoly ambony momba ny zava-kanto, sy teny aman-tsoratra ary siantsan’ny maha olona ny Oniversiten’Itasy.
Miorina amina velaran-tany 30ha ny Oniversiten’Itasy ary ahitana mpianatra manodidina ny 2500.
Nandritra ny lahateny izay nataony, notsiahivin’Andriamatoa Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin ny maha zava-dehibe ny toeran’ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ilaina ny tanora mandray andraikitra, hoy izy, ary antsoina izy ireo hifanolo-tanana amin’ny mpitondra ao anatin’izao fanavaozana izao. Niantso ny tanora ho sahy hanonofy izy ary tsy hatahotra ka hametraka ho tanjona ny fitiavan-tanindrazana.
Tamin’ny OMALY moa dia nisy ny famoahana mpianatra nahavita fianarana miisa 500 mitondra ny anarana andiany « FANANTENANAΒ Β».
Dika tsy nasiam-panovana avy tao amin’ny Zanak’ Itasy

Related Post