FIANARANTSOA – TOMBONY NO AZO NANDRITRA NY 5 TAONA NIARAHANA TAMIN’ NY FANDAHARAN’ASA USAID – ACCESS

182 0
Androany 20 Jona 2024 no natao tao amin’ny « Hôtel Pietra » Fianarantsoa ny lanonam-pamaranana amin’ny fomba ofisialy ny « programme USAID ACCESS » , amin’ny Faritra telo aty ahitana ny Faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Mahatsiatra Ambony.
Ny USAID no namatsy vola ny fandaharan’asa ACCESS ,izay manohana ny Ministera amin’ny fanamafisana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy monina amin’ny Faritra 14. Ho an’ny Faritra telo nifarana androany ity,dia ny fandrindrana fiainam-pianakaviana no notohananymanokana. Ka ny taona 2018 no nanomboka ny « programme » ary nikatona androany 20 Jona 2024 .
Nitarika ny lanonana ny Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka izay notronon’i Solotenan’ ny USAID sy ny Talen’ny ACCESS.
Ny fandaharan’asa no mifarana,fa ny asa dia mitohy hatrany.
Ho an’Amoron’i Mania manokana dia mbola misimisy ihany ny ezaka eo amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana satria dia mbola 35% no tratra ny tanjona raha ny taona 2023 teo,raha 28% izany ny taona 2020 .
Tombony nefa no azo satria nahazo fanamafisana fahaiza-manao ireo mpiasan’ny fahasalamana,no nahazo fiofanana ihany koa ireo mpanentana ara-pahasalamana nandritran’izay 5 taona niarahana tamin’ny fandaharan’asa ACCESS -USAID izay.
Nisy ny fanomezana fampitaovana,toy ny solosaina, sns… ho an’ireo distrika , anatin’ny Faritra telo ireo , ho fanampiana azy ireo amin’ny asa sahaniny .
Ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony kosa indray dia vokatra azo tsapain-tanana no
azo. 59,6% ny tahan’ny olona manao ny fandrindrana fiainam-pianakaviana amin’izao fotoana izao. Ezahina ny hitazomana hatrany ny taha io,ary mbola mitohy hatrany ny ezaka na dia lasa aza ny ACCESS.

Related Post

🔺 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐅𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐎𝐍𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐎𝐍𝐆 𝐂𝐎𝐃𝐄 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄🔺

Posted by - avril 10, 2024 0
👉𝑵𝒊𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒓𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑵𝒂𝒍𝒊𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑹𝒂𝒗𝒐𝒔𝒐𝒏 𝒕𝒂𝒍𝒆𝒏’𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑪𝒐𝒅𝒆 𝑴𝒆𝒏𝒂𝒃𝒆 𝒇𝒂 𝒏𝒊𝒉𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒍𝒂𝒕𝒔𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒇𝒊𝒅𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂…