FI.VA.ZA MIANDRIVAZO NIZARA FITAOVAM-PIANARANA HO AN’NY ZANAKA ZANDARY* KAMBOTY RAY SY ZAZA SAHIRANA ARA-PIVELOMANA.

395 0

Mba ho fanamaivanana ny fikarakarana fidiran’ny mpianatra amin’izao fotoana izao, dia nisy ny ezaka nataon ny FIVAZA Miandrivazo faritra Menabe notarihin’ny vadin’ny komandin’ny vondrotobim-paritra Miandrivazo, izay notanterahina omaly sabotsy faha 21 septambra 2024, tamin’ny 04 Ora tolakandro, tao amin’ny biraon’ny fokontany Ampanasana kaominina ambonivohitra Miandrivazo ka kahie miisa 120 miaraka amin’ny penina 112 sy perisily hazo 23 miaraka amin’ny fitsipika 60 sy kitapo 3 no nozaraiana tamin’ny mpianatra 23 ka ny 3 mianadahy dia zanaka zandary kamboty ary ny 2O kosa dia zaza sahirana ara-pivelomana
🙏Naneho fankasitrahana tanteraka izany fanampiana izany ireo Ray aman-dreny sy ireo zaza mpianatra, ary nahatsapa fa ankoatra ny maha mpitandro filaminana dia tena manampy vahoaka amin’ny fahasahiranana ny zandarimaria.

Nangonon’i RA PA

Related Post

KAOMININA ANOSY AVARATRA

Posted by - décembre 26, 2023 0
20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo…

𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘

Posted by - février 14, 2025 0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana ho an’ny filankevitra kaominaly eto amin’ny kaominina ambonivohitra Morondava izay tanterahana ao amin’ny biraon’ny filankevitra …