Fankalazana ny Iray volan’ny Ankizy : Zo fototra ny fanana Kopia

55 0
βš–οΈ π—™π—”π—‘π—žπ—”π—Ÿπ—”π—­π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—œπ—₯𝗔𝗬 π—©π—’π—Ÿπ—”π—‘’𝗑𝗬 π—”π—‘π—žπ—œπ—­π—¬: 𝗭𝗒 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗧π—₯𝗔 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔 π—žπ—’π—£π—œπ—”.
➑️Ho fanokafan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy amin’ity jona 2024 ity dia nisy ny hetsika notarihan-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo sy ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely ho fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ho an’ny ankizy miisa 700 teto amin’ny Akany Akamasoa Ambohimahitsy.
β­•Entina ho fanatanterahana ny Andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena ihany koa ity fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ity dia ny « Fanandratana ny maha olonaΒ Β».

βš–οΈ π…πˆπƒπˆππ€ππ€ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜ π“π€πŽ π€πŒππ€π“πŽπ‹π€πŒππ˜ π‡πŽ π…π€ππŽπ‡πˆπ™π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππŠπ€π‹π€π™π€ππ€ 𝐍𝐘 πˆπ‘π€π˜ π•πŽπ‹π€π’𝐍𝐘 π€ππŠπˆπ™π˜ π’π˜ π…π€ππ€πŽπ•π€ππ€ πƒπˆππˆπŠ’𝐀𝐒𝐀
πŸ“ŒSabotsy 08 Jona 2024, Efa maro ireo rantsam-pitsarana sy fonja notsidihana ka tsy diso anjara ny eto Ambatolampy.
➑️Tonga teto ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa avy eny amin’ny Ministera nanolotra fitaovana sy fitafiana ho an’ireo ankizy voafonja miisa 11 hanala fanadinana CEPE, ary bodofotsy sy boky ary baolina ho an’ny ankizy rehetra voafonja ao Ambatolampy. Notokanana ihany koa ny toeram-pilalaovam-baolina vaovaon’ny fonja. Izao hetsika izao Dia nentina nanamarihana hatrany ny Iray Volan’ny Ankizy izany, izay manan-jo hianatra sy hahazo fanabeazana ary hiala voly.
β­•Ho fanamafisana ny andry voalohany izay « Fanandratana ny maha olonaΒ Β» sy ho fanampiana an’ireo voafonja rehetra ao Ambatolampy amin’ny fiverenany eo amin’ny fiarahamonina ihany koa dia nanolotra fampitaovana hanampiana amin’ny fianaran’asa ny Ministry ny Fitsarana.
β­•Ho fanatanterahana indray ny andry fahatelo izay « Fanjakana tsara tantanaΒ Β» sy ho fanatsarana ny fitantanana eo anivon’ny fitsarana dia nanao dinik’asa niaraka tamin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Ambatolampy ihany koa ny Ministry ny Fitsarana mba hametrahana ny toromarika rehetra amin’ny fomba fiasa toy ny fangaharaharana amin’ny raharaham-pitsarana, ny fandraisana ny olona ary indrindra ny fanatanterahana ny fitsarana manakaiky vahoaka.
➑️Teo ihany koa ny fanomezana ny solosaina ho an’ny Fitsarana mba hanampiana amin’ny fanafainganana ny asa.
βš–οΈ π—”π—‘π—§π—”π—‘π—œπ— π—’π—₯𝗔 : 𝗧𝗦𝗬 π—›π—”π——π—œπ—‘π—’ π—œπ—₯π—˜π—’ π—”π—‘π—žπ—œπ—­π—¬ 𝗩𝗒𝗔𝗙𝗒𝗑𝗝𝗔 π—›π—œπ—”π—§π—₯π—œπ—žπ—” π—™π—”π—‘π—”π——π—œπ—‘π—”π—‘π—”.
πŸ“Œ Alakamisy 06 jona 2024, amin’izao iray volan’ny ankizy izao dia tsy nanadino ireo ankizy tsy ampy taona, mamita sazy, nefa manomana fanadinam- panjakana ao amin’ny fonjaben’Antanimora ihany koa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
Nanolotra akanjo mafana, fitaovana entina miatrika fanadinana, boky isan-karazany natao hifanabeazana.
πŸ“š Mpianatra hiatrika fanadinana :
πŸŽ’ BEPC ——————– Iray (01)
πŸ’Ό CEPE ——————– Folo (10)
Nandritra ny laha-tenin-dramatoa Minisitra no nanasongadinany fa anisan’ny zo fototra ho an’ny ankizy ny ahazo fanabeazana.
βš–οΈ π—™π—œπ—§π—¦π—œπ——π—œπ—›π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—”π—‘π—žπ—œπ—­π—¬ π—§π—”π—œπ—­π—”π—œπ—‘π—” 𝗔𝗒 π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 π—”π—žπ—”π—‘π—¬ Β«Β π—Ÿπ—˜π—¦ π—˜π—‘π—™π—”π—‘π—§π—¦ 𝗗𝗨 π—¦π—’π—Ÿπ—˜π—œπ—ŸΒ Β» π—œπ—§π—”π—’π—¦π—¬ 𝗦𝗬 π—™π—”π—‘π—’π—žπ—”π—™π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—™π—œπ—™π—”π—‘π—œπ—‘π—”π—‘π—” 𝗠𝗒𝗠𝗕𝗔 𝗑𝗬 𝗭𝗒𝗑’𝗑𝗬 π—”π—‘π—žπ—œπ—­π—¬.
πŸ“Œ Alakamisy 6 jona 2024
Ao anatin’ny fankalazana ny « Iray Volan’ny AnkizyΒ Β» dia nitohy tao amin’ny Akany « Les Enfants du SoleilΒ Β» tao Itaosy ny hetsiky ny Ministeran’ny Fitsarana.
🎯 Ho fanandratana ny maha olona, izay andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena, izay tanterahina amin’ny alalan’ny fiarovana ny zon’ny ankizy, dia nanatontosa fampahafantarana lalΓ na sy nanao fanomezana tao amin’ny Akany « Les enfants du SoleilΒ Β» Itaosy ny Ministera tarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
πŸ›‘οΈ Nohazavaina tamin’ireo ankizy tao amin’ity Akany ity ny antony nametrahana azy ireo tao, dia noho izy ireo misedra olana amin’ny resaka fianakaviana sy ny mahasamihafa azy ireo amin’ireo ankizy nampidirina am-ponja vonjimaika izay nandika lalΓ na. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny voka- dratsin’ny fikasihana zava-mahadomelina.
πŸ”‹ Ho fanampiana ny toe-piainan’izy ireo ao amin’ny Akany ihany koa dia nanolotra sinibe fanangonan- drano, vary amin’ny gony, menaka, savony, jogging ho azy ireo ary karazam-boky ny Minisitra.
Nampahafantarina an’ireo solotenan’ny Akanin’ankizy miisa 30 mahery, nanatrika ity hetsika ity ihany koa ny fisian’ny fifaninana an-tsary sy an-tsoratra karakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana izay andraisin’ireo ankizy anjara ao anatin’ity fankalazana ity.
🌾 Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo tamin’ireo ankizy tao amin’ny Akany « Les enfants du SoleilΒ Β».

Related Post

Mandritsara | Voapetraka amin’ny toerany ny Mpampanoa lalΓ na vaovao

Posted by - juillet 7, 2024 0
(𝖡𝗂𝗇𝖺 π—π–Ύπ—…π—ˆ π—‡π—ˆ 𝖾𝗇𝗍𝗂𝗇𝗒 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗍𝖺𝗇𝗍𝖾𝗋𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 π–Ίπ—Œπ–Ίπ—‡π—’) Miompana am𝗂n`ny paikady 3 lehibe ny vinam-pitantanan`ny tonia mpampanoa lalΓ na vaovao eto Mandritsara,…

Nahazo Solosaina ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

Posted by - mai 26, 2024 0
π…π€ππŽπ‹πŽπ‘π€ππ€ π’πŽπ‹πŽπ’π€πˆππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’π“π„π‘π€ π…πŽπˆππ„ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π’π€π‘π€ππ€ π€πŒππ€π‘π€π“πŽππ†π€ π•πŽπ€π‹πŽπ‡π€ππ˜ π€πŽ π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka…