FANADIOVANA ATY AFRIKA: DONALD TRUMP DIA HANONGOTRA NY MPANAO KOLIKOLY SY NY JIOLAHY MANAO FITAOVANA FITONDRANA ATY AFRIKA

2 0
Hatramin’ny niverenan’i Donald Trump tao amin’ny Maison-Blanche, dia nataony laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly iraisam-pirenena. Maro amin’ireo manampahefana ambony sy mpandraharaha Afrikanina no lasibatry Washington amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo firenena voakasik’izany ny Nigeria 🇳🇬, Cameroun 🇨🇲, Gabon 🇬🇦, Afrique du Sud 🇿🇦, Guinée Conakry 🇬🇳, Soudan du Sud 🇸🇸, ary firenena maro hafa, izay voampanga ho tompon’andraikitra amin’ny fanodinkodinana goavana volam-panjakana.
✔️ Fepetra henjana avy amin’i Trump
Miaraka amin’ny fanohanan’ny CIA sy ireo masoivoho federaly amerikana hafa, dia nandray fepetra hentitra ny fitantanan’i Trump mba:
🔹 Hamantarana, hanasaziana ary hahazoana miverina ireo vola nangalarin’ireo manampahefana Afrikanina.
🔹 Hanakatona ny volan’izy ireo apetraka amin’ireo banky any amin’ny firenena andrefana.
🔹 Hampihatra fandraràna visa amin’ireo voarohirohy amin’ny kolikoly.
🔹 Hifanome tanana amin’ireo sampam-pitsikilovana ao an-toerana mba hamongorana ireo tambajotran’ny famotsiam-bola sy kolikoly.
Mety izay ve no nampikatona an’i FES taty Madagasikara 🇲🇬 io!?
✔️ Antony ambadik’izao hetsika izao
Amin’izao fanapahan-kevitra izao, dia Washington dia mikendry:
🔸 Hanarenana ny fitoviana amin’ireo firenena voakasik’izany, ka hanamafisana ny fitsinjaram-pahefana ara-toekarena sy ara-politika.
🔸 Handresena lahatra ireo firenena Afrikanina mba hanapaka fifandraisana amin’ireo hery vahiny manana tombontsoa ara-jeopolitika ao amin’ny kaontinanta.
🔸 Hanohitra ny rafitra kolikoly izahay, hoy i Trump, izay novolavolain’ny fitantanan’i Biden mba hampanjakana rafitra maizina ahafahan’ny firenen-dehibe manararaotra sy manambaka an’i Afrika.
Amin’izao hetsika izao, dia hanakorontana sy hanakororoka ireo tambajotra miafina amin’ny fitantanam-bolam-panjakana i Donald Trump, ka mampanantena fanaraha-maso henjana kokoa sy fepetra hentitra ho an’ireo izay tratra nanao kolikoly.
Tsy misy mahasakana ny halebiazan’ny zavatra ho avy…
✍️ Lysan

Related Post