FANADIOVANA ATY AFRIKA: DONALD TRUMP DIA HANONGOTRA NY MPANAO KOLIKOLY SY NY JIOLAHY MANAO FITAOVANA FITONDRANA ATY AFRIKA

180 0
Hatramin’ny niverenan’i Donald Trump tao amin’ny Maison-Blanche, dia nataony laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly iraisam-pirenena. Maro amin’ireo manampahefana ambony sy mpandraharaha Afrikanina no lasibatry Washington amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo firenena voakasik’izany ny Nigeria 🇳🇬, Cameroun 🇨🇲, Gabon 🇬🇦, Afrique du Sud 🇿🇦, Guinée Conakry 🇬🇳, Soudan du Sud 🇸🇸, ary firenena maro hafa, izay voampanga ho tompon’andraikitra amin’ny fanodinkodinana goavana volam-panjakana.
✔️ Fepetra henjana avy amin’i Trump
Miaraka amin’ny fanohanan’ny CIA sy ireo masoivoho federaly amerikana hafa, dia nandray fepetra hentitra ny fitantanan’i Trump mba:
🔹 Hamantarana, hanasaziana ary hahazoana miverina ireo vola nangalarin’ireo manampahefana Afrikanina.
🔹 Hanakatona ny volan’izy ireo apetraka amin’ireo banky any amin’ny firenena andrefana.
🔹 Hampihatra fandraràna visa amin’ireo voarohirohy amin’ny kolikoly.
🔹 Hifanome tanana amin’ireo sampam-pitsikilovana ao an-toerana mba hamongorana ireo tambajotran’ny famotsiam-bola sy kolikoly.
Mety izay ve no nampikatona an’i FES taty Madagasikara 🇲🇬 io!?
✔️ Antony ambadik’izao hetsika izao
Amin’izao fanapahan-kevitra izao, dia Washington dia mikendry:
🔸 Hanarenana ny fitoviana amin’ireo firenena voakasik’izany, ka hanamafisana ny fitsinjaram-pahefana ara-toekarena sy ara-politika.
🔸 Handresena lahatra ireo firenena Afrikanina mba hanapaka fifandraisana amin’ireo hery vahiny manana tombontsoa ara-jeopolitika ao amin’ny kaontinanta.
🔸 Hanohitra ny rafitra kolikoly izahay, hoy i Trump, izay novolavolain’ny fitantanan’i Biden mba hampanjakana rafitra maizina ahafahan’ny firenen-dehibe manararaotra sy manambaka an’i Afrika.
Amin’izao hetsika izao, dia hanakorontana sy hanakororoka ireo tambajotra miafina amin’ny fitantanam-bolam-panjakana i Donald Trump, ka mampanantena fanaraha-maso henjana kokoa sy fepetra hentitra ho an’ireo izay tratra nanao kolikoly.
Tsy misy mahasakana ny halebiazan’ny zavatra ho avy…
✍️ Lysan

Related Post

𝐌𝐀𝐎𝐑𝐈𝐒𝐘 : 𝐍𝐚𝐭𝐬𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐡𝐚𝐦𝐛𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐂𝐨𝐦𝐦𝐞𝐫𝐜𝐞

Posted by - décembre 8, 2025 0
Tontosa ny 07 Desambra 2025 tao Beau-Bassin ny fihaonana ofisialy voalohany nataon’ny 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐨𝐫𝐢𝐬𝐲, ka nanamarika dingana vaovao…

𝐍𝐢𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐍𝐢𝐠𝐞𝐫 𝐢 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟑, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝐍𝐢𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐍𝐢𝐠𝐞𝐫 𝐢 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟑, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚 Nohavaozina taminy 11/14/2024 amin’ny…