FAHAMAIZAN’NY TSENA ASABOTSY, GOAVANA NY FAHAVOAZANA (Antsirabe 1)

69 0

Hatairana sy alahelo ny an’ireo mpivarotra ao an-tsenan’ Asabotsy eto Antsirabe Ambonivohitra raha nahita ny toeram- pivarotana nirehitra. Kila forehitra ny ankabeazan’ny trano fivarotana. Lasa lavenona ny entana tavela tao.

Niredareda avy amin’ny ilany atsimon’ny tsena ny afo araka ny voalazan’ny nanatri- maso. Tsy fantatra mazava hatreto ny fototry ny firehetana. Tazana teny an- toerana nanao fanadihadihana ny Zandary androany. Ary noraisina an- tanana halaina am- bavany ilay olona Tompon’ny fivarotana niavian’ny afo.

Betsaka ny olona mivelona amin’ny varotra ao an- tsena Asabotsy. Fanirian’izireo araka ny nambarany ny hijanona ao hanohy ny asa fitadiavana. Ka miandry vahaolana avy amin’ny mpitantana ny tanàna.

Araka izany, irariana ho tafatsangana haingana ny tsena Asabotsy. Mankahery ireo niharam- boina.

✍️Haja

22/07/25

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…