Ben’ny tanana miisa 50 mianadahy, mianaka ao anatin’ny Distrika Miarinarivo Itasy no nametrahana samboady tamin’ny fomba ofisialy androany ireo. Anisanβizany ny Benβny Tanana ao Kaominina Ambatomirahavavy RANDRIAMAMPIONONA TolotraΒ .
Tonga nitarika ity lanonana ity ny Filohanβny Senatora Malagasy aminβny maha maha mpiahy ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana Β anβity andrim-panjakana ity, dia jeneraly Richard RAVALOMANANA
« Ho tanterahina ny fanamby izay nifanomezana kanefa mila fifanomezan- tanana. » hoy i Maire Tolotra raha nanenho hevitra izy.
Fa nanasongadina maha asa saro-pady ny asa sahaninβny Benβny tanana kosa ny Filohanβny Antenimeran-doholona raha nandray fitenenana, ary nasongadiny hatrany fa kitro ifaharanβny fampandroana ifotony izany asa maha Benβny tanana izany, ka mila olona tena mahafantatra ny maika sy ilainβny Kaominina tantanany.
Tsy hadinony ny nitso-drano azy 50 mianadahy mianaka hahaleo hahalasana aminβizao andraikitra makadiry hapetraky ny firenena aminβizy ireo izany.
Nangonin’Lay Mahitsy