Ny sabotsy 22 jiona no notanterahana ny lanonana nitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny tobim-piatsonana COTRASAM PLUS Morondava izay notarihan’ny Prefet an’ny Morondava Rafidison Fidel sy ny talem-paritry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetrandro Menabe Andriamatoa Randriamanampisoa Xavier ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaoperativa COTRASAM rehetra ary notronon’ireo solon-tenam-panjakana ato Menabe .
Isany nahazo tombotsoa amin’ny fisian’ny Cotrasam plus ny faritra Menabe hoy ny Governoran’ny Faritra Menabe satria izao fanokafana ny zotra Morondava sy Antananarivo izao dia manome asa ho an’ny tanora eto Morondava izao fisian’ny tobim_piantsonana vaovao izao ary nisaotra ny Tomponandraikitra avy eo amin’ny Cotrasam ihany koa ny tenany tamin’ny fotodrafitr’asa izay sady manome endrika ny tanana ihany koa nilaza moa izy fa ity tobim_piantsonan’ ny cotrasam plus ity no tombim_piantsonana tsara indrindra ato Menabe ary derainy manokana ny fitsinjovana ireo olona manana fahasembanana tamin’ny fananganana ny tombim_piantsonana satria dia misy ny lalana natokana ho an’ireo manana fahasembanana noho izany hoy ny Governoran’ny Faritra Menabe dia vonona hiara dia amin’ny Cotrasam plus amin’ny fampandrosoana ny faritra ny fitondram_panjakana ato Menabe .
Isany ny mampiavaka ny Cotrasam plus hoy Andriamatoa Philippe Rasolondraibe tompon’andraikitra eo anivon’ny Cotrasam plus ny tolotra izay omeny izy ireo ny mpanjifa eo koa ny fanajana fotoana sy ny fitoriana ny filazan_tsara ihany koa ny cotrasam plus ary manaja hatrany ny tontolo iainana, eo koa ireo mpamily izay efa ampy traikefa sy nampiofanina manokana amin’ny fandraisana ny mpandeha sy ny fahadiovana ary ny filaminana indrindra ny fanajana fotoana.
Roa isan’andro ny fiaingana eto Morondava dia ny amin’ny 3 ora Maraina sy 11 ora atoandro.
Ny teny filamatra ny kaoperativa cotrasam plus moa dia ny hoe « Ndao hiara_dia » izay sady manentana ny rehetra ihany koa satria dia hiainan’ireo mpiasa mpiasa ao amin’ity kaoperativa ity zany amin’ny fandraisana sy fikarakarana ireo mpandeha.
Samy niaiky ny rehetra tonga nanatrika ity lanonana fitokana ity tobim_piantsonana ity fa raitra sy manarampenitra ny fotodrafitrasa ary ireo mpandeha izay efa nandeha tamin’ity cotrasam plus ity izay tojo anay nanotaniana dia nilaza afa_po avokoa na ny kalitaon’ny fiara na ny fandraisana na ny mpamily tsy misy kianina hoy izy ireo ka hirariana ny ho toizany hatrany fa na lavitra ary ny aleha na eo aza ny hatsarian’ny lalana dia tsy mahatsiaro reraka ianao mandeha amin’ny Cotrasam plus hoy ny mpandeha iray tojo anay tsy zay ihany fa mbola misy koa ny wifi ao anaty fiara.
✍️Ra_Pa Menabe
Related Post
Distrikan’Amparafaravola | Sefo fokontany 189 no nisitra Bisikileta VTT vaovao
Sefo fokontany 189 avy amin’ny kaominina 22 ao amin’ny distrikan’Amparafaravola no nisitraka Bisikileta VTT vaovao, Androany Talata 27 Febroary no natolotra…
TOAMASINA: Fanavaozana ny tragnon’i Lonaky Rabehava ao Morarano.
Androany 10 febroary2024, no nifamotoana ireo solotenan’ny Zanak’i Telo troky. 📌 Nitsidika ny Lonaky Rabehava, Iaban’i Biny izy ireo…
ONIVERSITEAN’I FIANARANTSOA: NAMOKATRA PROFESORA IRAY INDRAY.
Mitombo isa hatrany ny profesora eo anivon’ny Oniversitean’i Fianarantsoa. Nahatontosa ny thèse de soutenance HDR (Habilité à Diriger des Recherches),…
CITÉ DES CULTURES
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafan »ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa. Ahitana efitrano…
DISITRIKAN’I PORT-BERGE | NIRAVONA NY DISADISA TEO AMIN’NY FOKO ROA NIFANOLANA, NANAIKY FANDAMINANA NY ANDANINY SY NY ANKILANY.
DISITRIKAN’I PORT-BERGE | NIRAVONA NY DISADISA TEO AMIN’NY FOKO ROA NIFANOLANA, NANAIKY FANDAMINANA NY ANDANINY SY NY ANKILANY. Araka ny…
INONA NY VAOVAO ?
-
GROUPE JCR VANIALA: MANOHANA NY LAFINY FANATANJAHATENA.
novembre 16, 2024 -
MORENGY SOMAN`ANDRONA – Kolontsaina lova avy tamin`ny Ray amandreny be
septembre 10, 2024
NY VAOVAO TEO ALOHA ?
-
11:04 am - novembre 24, 2024
Reniranon’ny LAGNIRANO | harem-bakoka lehibe eto Fort Dauphin
-
10:33 am - novembre 24, 2024
LETCHI MANDRITSARA – 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗕𝗔𝗞𝗔, 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗡𝗚𝗢𝗠-𝗞𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔
-
12:18 am - novembre 24, 2024
TAMBOHO NIHOTSAKA | 3 MIANAKA NO INDRAY NAMOY NY AINY
-
11:52 pm - novembre 23, 2024
MANOHY NY FAMPANDROSOANA I JEROME – HATOLOTRY NY FIKAMBANANA AVOTRA SABOTSY NAMEHANA
-
9:34 pm - novembre 23, 2024
Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty
METEO
Plus de prévisions: Previsions meteo 30 jours