CISCO I: CAP DIEGO , ANTSIRANANA: TONGA NAMALY NY FANGATAHAN’IREO RAY AMAN- DRENY SY MPANABE NY SOLOMBAVAMBAHOAKA RAMENASON RIO MERCI.

219 0
Nanolotra tafo na tôle 30 isa ho an’ny EPP Cap – Diego ny Solombavambahoaka RAMENASON Rio Merci , anio Talata 02 Aprily 2024. Araka ny fanazavan’ny Talen’ity Sekoly ity Andriamatoa DAYANE Andriamalaza dia mijaly loatra ireo mpianatra madinika ao amin’ny préscolaire noho ny halaviran- tany fianarana ka nahatonga azy ireo nangataka fanampiana amin’ity solombavambahoaka ity.
 
Tsy vitan’ny fanomezana tafo ihany fa mbola hisy vola mitentina 17.000.000 Fmg izay atokana ho an’ny fampitaovana ny Sekoly toy ny table- banc, tableau ,sns…izay ho atomboka amin’ny volana Mai 2024 araka ny fanazavan’ny Talen’ny Sekoly CAP Diego . Voalaza ihany koa fa ao amin’ny Village Antandroy CAP- Diego no hanaovana ity fotodrafitr’asa ity.
 
Tonga nanome voninahitra ity hetsika fampitaovana ity ny solontenan’ny CISCO I TSITAMBAGNA Richard Emmanuel, sy ny solontenan’ny Filohan’ny Fokontany GILBERT Rakotoarison.
 
Nangonin’i Sela Fanambarana

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…