CISCO I: CAP DIEGO , ANTSIRANANA: TONGA NAMALY NY FANGATAHAN’IREO RAY AMAN- DRENY SY MPANABE NY SOLOMBAVAMBAHOAKA RAMENASON RIO MERCI.

142 0
Nanolotra tafo na tôle 30 isa ho an’ny EPP Cap – Diego ny Solombavambahoaka RAMENASON Rio Merci , anio Talata 02 Aprily 2024. Araka ny fanazavan’ny Talen’ity Sekoly ity Andriamatoa DAYANE Andriamalaza dia mijaly loatra ireo mpianatra madinika ao amin’ny préscolaire noho ny halaviran- tany fianarana ka nahatonga azy ireo nangataka fanampiana amin’ity solombavambahoaka ity.
 
Tsy vitan’ny fanomezana tafo ihany fa mbola hisy vola mitentina 17.000.000 Fmg izay atokana ho an’ny fampitaovana ny Sekoly toy ny table- banc, tableau ,sns…izay ho atomboka amin’ny volana Mai 2024 araka ny fanazavan’ny Talen’ny Sekoly CAP Diego . Voalaza ihany koa fa ao amin’ny Village Antandroy CAP- Diego no hanaovana ity fotodrafitr’asa ity.
 
Tonga nanome voninahitra ity hetsika fampitaovana ity ny solontenan’ny CISCO I TSITAMBAGNA Richard Emmanuel, sy ny solontenan’ny Filohan’ny Fokontany GILBERT Rakotoarison.
 
Nangonin’i Sela Fanambarana

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…