BNLTEH | ANTANANARIVO — ADY AMIN’NY FAMARINANA OLOMBELONA

5 0

Eny ifotony no manomboka ny fiarovana ny vahoaka

Nofaranana androany 19 Martsa 2026 tao amin’ny Distrikan’Antananarivo faha-III ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana momba ny ady amin’ny famarinana olombelona, hetsika nokarakarain’ny BNLTEH ho an’ireo Lehiben’ny Fokontany eto Antananarivo Renivohitra.

Fantatra fa Distrika manana Fokontany betsaka indrindra eto an-drenivohitra i Antananarivo faha-III, izay ahitana Fokontany miisa 34. Ao Antaninandro no misy ny biraon’ny Distrika, ary Ramatoa Razafindranaivo Harikanto Donnie Alexia, Lehiben’ny Distrika, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana.

Nandritra ny fiofanana dia nisy ny fanazavana mikasika ireo singa mamaritra ny famarinana olombelona sy ireo endrika isehoany eo anivon’ny fiarahamonina. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fifanakalozan-kevitra ireo Lehiben’ny Fokontany, tamin’ny alalan’ny fanontaniana sy fanamarihana, izay nampiseho ny fahavononany handray andraikitra amin’ny ady amin’ity tranga mampidi-doza ity.

Notsindriana nandritra ny hetsika fa eny ifotony no isehoan’ny ankamaroan’ny fanararaotana, ka ireo tompon’andraikitra akaiky ny vahoaka, toy ny Lehiben’ny Fokontany, no apetraka ho andry voalohany amin’ny fisorohana sy fanairana. Inoana fa ny fahamalinana sy ny fahavononan’izy ireo dia afaka manampy betsaka amin’ny fisorohana mialoha ireo tranga mety hitranga.

Mitohy araka izany ny ezaka iombonana entina manangana fiarahamonina malina sy voaaro amin’ny famarinana olombelona, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafitra samihafa sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony.

Nangonin’lay Mahitsy

 

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…