BELO SUR MER ; NOSOKAFANA ANDROANY NY FESTIVAL BOTRY

341 0

☑ Nosokafana androanay alakamisy faha 31 Oktobre ny FESTIVAL BOTRY andihany voalohany ato Menabe izay natao tato amin’ny kaominina ambanivohitry Belo sur Mer ka nampitondraina ny anarana hoe « Soa fahitse » izay karakarain’ny vondrona KIMONY RESORT sy ny Centre Ecotourisme Menabe ka tsy hiarana raha tsy ny alahady faha 3 ny volana Novembre ho avy izao , tonga nanatrika sy nanaome voninahitra ity festival ny talemparitry ny fitanterana sy ny famatarana ny toe-trandro Andriamatoa Xavier Randriamanampisoa ary Andriamatoa Rakotozafimanatsoa Tovoherindrainy Nomenjanahary  talemparitry ny fizahan-tany sy ny asa-tanana ato Menabe izay sady nisolon-tena an-dRamatoa Minisitra sy nitondra ny teny fialan-tsininy Ramatoa minisitra amin’ny tsy nafahany niatrika ity festival ity  .

Nilaza ny talemparitry ny fizahan-tany sy ny asa-tanana  Andriamatoa Rakotozafimanatsoa Tovoherindrainy Nomenjanahary fa tsy afaka miala amin’ny FESTIVAL ny ministera izay soloiny tena stria isany hetsika ara-pizahan-tany ny festivaly noho izy fampafantarana ny raha misy amin’ny faritra iray natao hiantsoana ny mpizahan-tany ary indrindra fa ity festivaly Botry ity izay tafiditra amin’ny asa tanana ny fanaovana botry ka fisaorana no natolony ho an’ny vondrona  KIMONY RESORT sy ny Centre Ecotourisme Menabe izay tarihan’ny andriamatoa Danil Abdallah satria tsy moramora ny mikarakara fistivaly toa izao nefa ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny faritra indrindra fa ny kaominiana Belo sur Mer sy fampiroboroboana ny tontolon’ny fizahan-tany koa miantso ny rehetra hiara hisalahy amin’ny fikarakarana ny tenany ary nilaza fa eo hatrany ny talemparitry ny fizahan-tany sy ny asa-tanana ato Menabe hiahy sy hanoana ireo izay vonona .

Nilaza kosa ny talem-paritry ny fitanterana fa isany fitaovam-pitanterana voalohany indrindra taty amin’ity ka rariny raha Belo sur Mer no nanaovana ity festival Botry ity satria Belo sur Mer no misy fanamboarana Botry voalohany teto Madagasikara ; ary ny fanam-oarana Botry ny nahatonga ilay fiteny hoe « Mianavarata raha ho adala » satria noho ireo mpana-botry maro nikarama any Mahajanga satria maro ireo nandeha Botry lasa nianavaratra ka rehefa tonga tany dia nanambady hafa tany ka nanary ny vady aman-janany taty Belo sur Mer ; isany tanjona moa hoy hatrany izy dia ny hampafantarana izao tontolo izao fa aty ny renivohitry ny Botry ; nottsindriany manokana fa isany mampias a olona maro ny Botry ka mangataka tolon-tanana avy amin’ireo mpiara miombon-antoka ao amin’ny trano fihatohana sy ny Cnaps izy ny mba hampidirana ity asa botry ity amin’ny ara-dalana.

 

Natomboka tamin’ny diabe namakivaky ny tanana moa ny fotoana ary nitohy tamin’ny kabary fandraisam-pitenenana izay nanaovana ny lahan-teny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ary nitohy tamin’ny fitsidihana ny fasan’ny tompokolahy Ludovic Joachim Emmanuel izay isany andrarezina sy fototry ny fanaovana Botry teto Belo sur Mer nitohy tamin’ny fialana hetaheta moa izay ary narahin’ny fifanakalozan-kevitra sy fampafantarana ny tantaran ‘ny botry sy ny fanaovana azy ary hetsika ara-panatanjahan-tena sy kolontsaiana maro isakarazany miaraka amin’ny fifaninana maro toin’ny lakana sy Botry ary eo koa ny jotro Botry sy ny fanentanana ataon’ireo mpanan-kanto no hanohizana ny hetsika hatramin’ny  alahady faha 3 novembre izao izay andro hamaranana ity Festival ity .

Somary nanotany tena ihany moa ireo ray aman-dreny ao Belo sur Mer fa toa tsy nisy afa-tsireo talem-paritra roa voaksiaka manokana ihany no tompon’andraikim-panjaka avy ato Menabe tonga nanatrika ity hetsika ity izay sambany ho anay ato Belo sur Mer hoy izy ireo no misy hetsika lehibe toy izao nefa dia tsy hita na nandefa solon-tena ireo tompon’andraikim-panajakana ato Menabe nefa dia isan’ireo kaominina mahasarika mpizahan-tany ato Menabe ny kaominina ambanivohitra Belo sur Mer izay mampidi-bola ho an’ny faritra koa managataka ny mba hisian’ny fijerena sy fanohanana azy ireo ny ray aman-dreny eto an-tanana .

Nangonon’i RA PA

Related Post

𝑭𝙀𝑺𝙏𝑰𝙑𝑨𝙇 𝘽𝑶𝙏𝑹𝙔 𝘽𝑬𝙇𝑶 𝑺𝙐𝑹 𝑴𝙀𝑹, 𝙉𝑰𝙎𝑨𝙊𝑻𝙍𝑨 𝑵𝙔 𝙈𝑷𝙄𝑲𝘼𝑹𝘼𝑲𝘼𝑹𝘼 𝙉𝒀 𝑻𝘼𝑳𝙀𝑴-𝑷𝘼𝑹𝙄𝑻𝙍𝒀 𝑵𝙔 𝙁𝑰𝙕𝑨𝙃𝑨𝙉-𝙏𝑨𝙉𝒀 𝑺𝙔 𝘼𝑺𝘼 𝙏𝑨𝙉𝑨𝙉𝑨 𝑴𝙀𝑵𝘼𝑩𝙀

Posted by - novembre 2, 2024 0
𝑽𝒆𝒍𝒐𝒎-𝒑𝒊𝒔𝒂𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑽𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏𝒂 𝑲𝑰𝑴𝑶𝑵𝒀 𝑹𝑬𝑺𝑶𝑹𝑻 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒍𝒆𝒎𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒕𝒐 𝑴𝒆𝒏𝒂𝒃𝒆 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑹𝒂𝒌𝒐𝒕𝒐𝒛𝒂𝒇𝒊𝒎𝒂𝒏𝒂𝒕𝒔𝒐𝒂 𝑻𝒐𝒗𝒐𝒉𝒆𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒏𝒚 𝑵𝒐𝒎𝒆𝒏𝒋𝒂𝒏𝒂𝒉𝒂𝒓𝒚  𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂…