Bassin eny amin’ny tetezan’i Bekiraro: Mampiady ny mpanjifa ireo tomponandraikitra

249 0
Maro ireo olona mampiasa ny bassin fanasan-damba eny amin’ny tetezan’i bekiraro izay mitaraina fa anjakazakan’ireo mpikarama ny bassin iombonana.
Araka ny lamina napetraka hatrizay dia (Bac) iray ny an’olona iray ary tsy azo atao ny mamandrika toerana mialoha fa izay tonga aloha no mampiasa izany.
Tsy izay nefa no misy amin’izao fotoana izao fa ireo mpikarama rehefa tonga dia manongotra ireo olona efa manasa lamba eo, ka lasa ady no hiafarany.
Tsy vao izao ity tranga ity fa efa ela no nisian’ny disadisa manoloana izany.
Ireo tompon’andraikitra moa dia mitango vola fotsiny fa tsy misy fanaraha-maso an’ireo mpanjifa hoy ireo olona mampiasa ny bassin eny an-toerana.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀.

Posted by - février 23, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀. — Miakatra 150ha ny tanim-bary voatondraka ankehitriny, ny…