Baccalauréat 2026: fepetra hentitra napetraka mba hiarovana ny filaminan’ny fanadinana

246 0

Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana Baccalauréat 2026, nametraka fepetra hentitra ny Governemanta mba hahafahan’ny mpiadina miatrika izany ao anatin’ny fitoniana sy fahatokisana. Tao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny 18 Jona 2026, no nihaonan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, tamin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana ity fanadinana lehibe ity.

Nohamafisin’ny Praiminisitra nandritra ny fihaonana fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana ny fampianarana sy fanabeazana ny taranaka Malagasy. Noho izany, ilaina ny fandrindrana mazava sy ny fiaraha-mientan’ny sampan-draharaha rehetra, mba tsy hisian’ny korontana na sakana mety hanohintohina ny fizotry ny fanadinana.

Anisan’ny fepetra lehibe napetraka ny famolavolana “manuel de procédure”, izay hamaritra mialoha ny andraikitry ny tompon’andraikitra tsirairay raha sendra misy tranga tampoka. Hapetraka ihany koa ny caméras de surveillance mandritra ny “conclave” handrafetana ny laza adina, ka ny MNDPT no hiandraikitra izany, ho fanamafisana ny mangarahara sy ny fiarovana.

Eo amin’ny lafiny filaminana, hanamafy ny fisiany sy ny andraikiny ny Hery Fiarovana sy Filaminana, na mialoha, na mandritra, na aorian’ny fanadinana. Nomena toromarika manokana ihany koa ny tompon’andraikitra amin’ny sehatry ny angovo, mba handray fepetra mialoha hisorohana ny fahatapahan-jiro any amin’ireo toeram-panadinana manerana ny Nosy.

Hojerena akaiky ihany koa ireo olona minia manaparitaka tsaho, indrindra ireo filazana momba ny mety ho fivoahan’ny laza adina mialoha. Araka ny fanazavana, mety hanakorontana ny sain’ny mpiadina izany ka ilaina ny fandraisana andraikitra haingana. Amin’ny ankapobeny, mikendry ny hanome tontolo milamina, azo antoka ary mendrika ho an’ny mpianatra ireo fepetra rehetra ireo.

Nangonin’ Lay Mahitsy

📷: Primatiora

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…