Antoko HVM | Nampanantsoin’ny Zandarimaria ny Sekretera Jeneraly

434 0

Fantatra fa ampanantsoina teny amin’ny « Bridage de recherche criminelle » eo anivon’ny zandarmariam-pirenena Fiadanana androany tolakandro Andriamatoa Rasambany Alain Désiré , Sekretera Jeneraly Nasionalin’ny Antoko HVM.

Navela nody soamantsara tany an-tokatranony, eo akain’ny fianakaviany izy rehefa natao famotorana nandritra ny adin’ny roa sy sasany.

Tsy misy fitoriana mazava natao taminy, raha ny fanazavana voaray satria siosion-dresaka fikomiana sy fanonganam-panjakana no voalaza fa anonymes nampanantsoana azy.

Sary tahiry

Source : HVM Foibe Madagasikara

Related Post

𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟬𝟵 -𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟮𝟱 »

Posted by - février 7, 2025 0
 » 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒚 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒕𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒃𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒍𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒍𝒂𝒗𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 »…