ANTANIMALANDY MAHAJANGA LEHILAHY NANOLANA ANKIZY MIISA 7 MANANA ROHIM-PIHAVANANA AMINY NAIDITRA AM-PONJA

152 0
Zazavavikely miisa 7, eo anelanelan’ny 3 taona hatramin’ny 14 taona no nifandimby niharan’ny fanolanana nataona raim-pianakaviana iray teny amin’ny fokontany Antanimalandy Avaratra 2, fanolanana sy fifoterana nataony nandritra ny taona maro tamin’ny toerana sy fomba samihafa.
Zanany naterany, zaobaviny, zana-drahavavin’ny vadiny, fianakaviany izany hoe olona akaiky ilay nahavanon-doza avokoa ary manana rohim-pihavanana aminy ireo lasibatra.
Isaky ny manana fotoana hahafahana manararaotra ireo zaza ireo ilay rangahy tsy mataho-tody dia manampatra ny filany ary mandrahona izay tratrany mba tsy hilazalaza.
Amin’ny maha zaza azy ireo anefa dia mitantara amin’ny namany sy mifampitatara amin’izy samy izy izy fito mirahavavy ka teo no nampipoaka ny raharaha.
Tsy nisy nanampo ny zava-nisy, nentin’ny fifampitokisana ny fianakaviana ka valan-ketraka manoloana izao tranga izao taorian’ny nahafantatana ny tena zava-nisy.
Nandray andraikitra avy hatrany anefa izy ireo ka nitory ilay nahavanon-doza ary omaly tolakandron’ny zoma 11 oktobra no niakatra fampanoavana teo anoloan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha.
Naiditra vonjimaika am-ponja eny amin’ny fonjan’i Marofoto ity rangahy ity.
Nangonin’i Ampisafin’i Boeny

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐤𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚

Posted by - mars 11, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐤𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 (Tra-tehaky ny polisy lehilahy iray ity noho ny fanomezam-baovao ara-potoana) Rangahy…