Andriamena, Tsaratanàna — Nidina an-dalambe ireo mponina naneho ny ahiahiny sy ny tsy fahafaham-pony,

21 0
Andriamena/Tsaratanàna: Nidina an-dalambe sy nitondra sora-baventy mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny boriboritany ny mpanao fihetsiketsena.
📌 Nidina an-dalambe sy nitondra sora-baventy ny mpanao fihetsiketsena, izay mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa sy Rtoa lehiben’ny boriboritany any amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny marainan’ny Alakamisy faha 13 Novambra taona 2025 lasa teo, tokony tamin’ny folo ora tany ho any. Nanao ny fisoroahana mialoha ny mety hisian’ny fanakorotanana sy ny mpanararaotra ny mpitandro ny filaminana any an-toerana no nametraka ny sakana nalaky, teo anoloan’ny vavahady hidirana ny lapan’ny tanàna, saingy tafiditra tao ihany ireo mpanao fitakiana no nitondra fanehoan-kevitra hatrany.
📌 Leo halabato tamin’ny fanafoanana ny biraom-pifidianana niisa efatra, nohon’ny hala-tsonia nataon’ireo  » mpikambana ao anatin’ny birao fandantsam-bato  » nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo no miampy fangalana vola mihoapampana nalain’ny lehiben’ny boriboritany tamin’ireo tantsaha mpiompy, fanaparitahana anton-taratasy ivelan’ny biraom-piasany ny mpanao fihetsiketsena.
📌 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nanome herinandro an’ireo mpanolotsain’ny kaominina mba hanao tatitra ara-bola amin’ny vahoaka izy ireo, ka raikitra amin’ny Alakamisy hoavy izao moa izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

Related Post

𝗙𝗜𝗙𝗜𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟴 : 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗛𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗠𝗘𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗜𝗔𝗧𝗢𝗦𝗜𝗞𝗔 𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤

Posted by - août 8, 2025 0
👉𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣𝙖̀𝙣𝙖 𝙄𝙢𝙚𝙧𝙞𝙣𝙩𝙨𝙞𝙖𝙩𝙤𝙨𝙞𝙠𝙖, 𝙣𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙥𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖 𝙫𝙤𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙞𝙗𝙚𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙎𝙤𝙡𝙖𝙣𝙜𝙖 𝙛𝙖…