π•π¨π‘π’π›πšπ­π¨ – 𝐌𝐚𝐭𝐬𝐒𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲: π“π¨π‘πšπ§πšπ§β€™π§π² π…π’π­π¨π§ππ«πšπ¦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚𝐧𝐚 π€π«πš-𝐭𝐬𝐨𝐬𝐒𝐚π₯𝐲 𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐌𝐚𝐫𝐞𝐟𝐨 𝐚𝐨 π€π§ππ«πšπ§π¨π―π¨π«π’π―πšπ­π¨

137 0
Andranovorivato, 01 Aogositra 2025 β€” Sehatra iray mihatraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka no natrehan’ny mponina tao amin’ny Kaominina Andranovorivato, Distrikan’i Vohibato, rehefa nisy tohana ara-tsosialy lehibe natolotry ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina.
Tokantrano 500 ahitana olona marefo, toy ny Zokiolona, ny manan-kilema ary ireo sahirana ara-pivelomana, no nisitraka izany fanampiana izany. I Ramatoa 𝘼π™ͺπ™§π™šΜπ™‘π™žπ™š π™π™–π™―π™–π™›π™žπ™£π™Ÿπ™–π™©π™€, Minisitry ny Mponina, no nitondra mivantana ireo tohana ka anisan’izany ny:
β€’ PPN (menaka, savony, siramamy, ronono NestlΓ©, cafΓ©, voamaina),
β€’ vary
β€’ bodofotsy (lamba firakotra).
Tontosa tamin’ity fotoana ity ihany koa ny fitokanana ny biraon’ny Kaominina Andranovorivato, izay manara-penitra sy afaka hanome tolotra haingana sy mahomby ho an’ny vahoaka. Nanotrona ny lanonana ireo manam-pahefana eo an-toerana, ireo solontenam-panjakana ary ny mponina amin’ny manodidina, izay naneho fahafaliana sy fankasitrahana.
β€œTsy afaka mandroso amin’ny tena fandrosoana ara-toekarena isika raha tsy miara-miahy sy mandray an-tanana ny fiainan’ireo marefo. Izany indrindra no anton’izao fandraisana andraikitra izao,” hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Mponina nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony.
Fametrahana fototra ho an’ny fiahiana ara-tsosialy
Tanjona lehibe amin’ity hetsika ity, hoy hatrany ny Ministra, ny fanamafisana ny firaisankina sy ny ady amin’ny fahantrana any ifotony, indrindra amin’izao vanim-potoana iatrehana fikorontanan’ny toekarena izao. Nampanantena ihany koa ny fitohizan’ny fiahiana toy izao any amin’ireo kaominina hafa manerana ny faritra.
Nangonin’i Ando Rafahatelo

Related Post

VOHITRA VOHITRAMBO, COMMUNE MIARINAVARATRA, DISTRIKAN FANDRIANA

Posted by - juillet 10, 2024 0
π•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π•πŽπ‡πˆπ“π‘π€πŒππŽ, π‚πŽπŒπŒπ”ππ„ πŒπˆπ€π‘πˆππ€π•π€π‘π€π“π‘π€, πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π π…π€ππƒπ‘πˆπ€ππ€ — Velon-taraina ny Mponina nohon’ny fahasimban’ny Β« PilΓ΄ne eto Vohitrambo Β» izay mamatsy fifandraisana…