AMBALAMADIRO – ANKIABE SALOHY : TOKANTRANO 12 TSY MANAN-KIALOFANA TAORIAN’NY HAIN-TRANO

116 0

Tokantrano miisa 12 no tsy manan-kialofana taorian’ny hain-trano nitranga tao amin’ny fokontany Ambalamadiro, kaominina ambanivohitra Ankiabe Salohy, distrikan’i Mandritsara, tamin’ny 15 Jona 2026.

Fananana maro no kila forehitra nandritra ny loza, anisan’izany ny kidoro, ny tahirim-bary ary ireo kojakoja samihafa tao an-tokantrano. Namela ireo fianakaviana traboina tao anatin’ny fahasahiranana lehibe ny fahavoazana.

Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Nisy ihany koa ny fandraisana andraikitra sy ny fitadiavana vahaolana maika, ho fanampiana ireo fianakaviana niharam-boina.

Nangonin’i Claudio

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…