๐๐€๐‡๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐ƒ๐ˆ๐๐˜ ๐„๐…๐€๐“๐‘๐€ ๐Œ๐€๐‡๐„๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐Š๐€๐๐€ ๐€๐Œ-๐๐€๐•๐€๐๐˜ ๐€๐โ€™๐ˆ ๐ˆ๐’๐Œ๐€๐„ฬˆ๐‹ ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐€๐‘๐ˆ๐•๐Ž

20 0
Nivoaka ny biraonโ€™ny Sampana misahana ny fikarohana heloka bevava teny Fiadanana taminโ€™ny 4 ora sy 45 minitra hariva, ny alakamisy 9 Jolay 2026, i Ismaรซl Razafinarivo, talenโ€™ny famoahana ao aminโ€™ny Radio Antsiva, rehefa avy nanaovana fanadihadiana nandritra ny adiny efatra mahery.
Araka ny fanazavana nomeny teo ivelanโ€™ny birao, nilamina ny fizotranโ€™ny fakana am-bavany. Tsy mbola nambarany kosa ny antsipiriany momba ireo fanontaniana napetraka sy ny valiny nomeny, noho ny tsiambaratelonโ€™ny famotorana izay tsy maintsy hajaina mandritra ny fanadihadiana.
Voalaza ao aminโ€™ny taratasy fampiantsoana fa ahiahiana ho nanao famoahana vaovao tsy marina sy fampirisihana ho aminโ€™ny fankahalana na incitation ร  la haine ny talenโ€™ny famoahanโ€™ny Radio Antsiva. Fiampangana mbola eo am-panadihadiana anefa ireo, ka tsy tokony horaisina ho porofon-keloka raha tsy misy fanapahan-kevitra ara-pitsarana manamarina izany.
Notroninโ€™ny mpisolovava azy sy Andry Rakoto, mpandrindra ny CT-OJM, i Ismaรซl Razafinarivo nandritra ny fakana am-bavany. Tsy mbola nisy fanazavana ofisialy nivoaka momba izay mety ho tohinโ€™ny raharaha.
Ny fahalalahanโ€™ny asa fanaovan-gazety no iray aminโ€™ireo andry iorenanโ€™ny fiarahamonina demokratika. Rehefa ampanginina ny mpanao gazety, mihamalemy ny demokrasia; rehefa matahotra miteny ny vahoaka, manomboka manjaka ny jadona.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post