AKON’NY FANDALOVAN’NY MINISITRY NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY TETO ANTSIRANANA.

188 0
Mahery ny 350 ny vahoaka nahazo kara- tany sy « titre » tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mangaoko, distikan’Antsiranana faharoa ,nandritra ny fandalovan’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan- tany Naina ANDRIATSITOHAINA teto Antsiranana.
Nijery ihany koa ny fampandehanan-draharaha ato amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra tao amin’ny fokontany Mahaleja, kaominina Antsampano, Distikan’Antsiranana II, izay fotodrafitr’ asa avy amin’ny fitondram- panjakana Malagasy .
Ankoatr’izay dia namaha ny olana mahakasika ny fananan-tany misy amin’ireo vahoaka tato amin’ny fokontany Mahaleja ihany koa ity farany ,ka ravoravo ny vahoaka ary nirary spa azy mba ho lava fanapahana sy ho ela velona.
Tonga nanotrona ny Fitsidihana sy ny fizarana kara- tany fao- be nataon’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan- tany iny ny Governora ny Faritra DIANA, Taciano RAKOTOMANGA, ny Préfet Antsiranana MANANJARA Lucien, ny Solombavambahoakan’ Antsiranana I , RAHELIANTA Jocelyne, ny solombavambahoakan’ny Tanjombato, ny lehiben’ny Distrikan’Antsiranana faharoa, HUBERTO Déllaris, ireo manan- kaja maro Sivily sy Miaramila.
Nangonin’i Sela Fanambarana.

Related Post

Depioté Haja Dinah | nanampy ny voafonja ao Toamasina

Posted by - février 22, 2026 0
𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄́ 𝐇𝐀𝐉𝐀 𝐃𝐈𝐍𝐀𝐇 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐌𝐀𝐗 : 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀𝐕𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 Nitohy…