ASAN-GAZETY – TSY AZO EKENA NY FANAOVANA VALIFATY AMIN’NY ZANAKA!

59 0
Fanerena sy fanitsakitsahana mivantana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no hita taratra amin’ilay tranga voalaza fa nitranga tao Fianarantsoa.
Araka ny vaovao voaray, dia tsy noraisin’ny sekoly tsy miankina iray hanohy ny fianarany intsony ny zanakavavin’ny mpanao gazety iray, taorian’ny lahatsoratra navoakan’ny reniny.
Raha voamarina fa noho ilay vaovao navoakan’ny reniny tokoa no anton’izao fanapahan-kevitra izao, dia mazava ny resaka:
❌ Valifaty atao amin’ny mpanao gazety izany!
❌ Fampitahorana mba hampanginana azy izany!
❌ Fanitsakitsahana ny zon’ny ankizy hianatra izany!
Tsy tokony hatao takalon’aina ny zanaky ny mpanao gazety!
Tsy misy ifandraisany amin’ny lahatsoratra navoakan’ny reniny ny fianaran’ilay zaza. Tsy tokony izy no hizaka ny vokatry ny asa ataon’ny ray aman-dreniny, indrindra raha asa fampahalalam-baovao natao ho tombontsoan’ny besinimaro izany.
Fanitsakitsahana indroa sosona no miseho eto:
🔹 Voatohintohina ny fahalalahan’ny mpanao gazety hitady sy hampita vaovao;
🔹 Voahitsakitsaka ny zon’ny ankizy hahazo fanabeazana.
Manameloka tanteraka ny herisetra, ny fandrahonana ary ny tsindry rehetra atao amin’ny mpanao gazety ireo mpisehatra amin’ny fampitam-baovao.
📌 Antsoina ireo tompon’andraikitra mahefa mba:
✅ Hanaovana fanadihadiana mangarahara ity raharaha ity;
✅ Hamantarana ny tena anton’ilay fanilihana;
✅ Hiaro ny zon’ilay zaza hanohy ny fianarany;
✅ Handray fepetra hisorohana ny tranga mitovitovy amin’izao.
🛑 Tsy tokony hampanginina amin’ny fandrahonana ny mpanao gazety.
🛑 Tsy tokony hatao fitaovana famaliana faty ny zanany.
🛑 Tsy tokony hosakanana noho ny asan’ny ray aman-dreniny ny zon’ny ankizy hianatra.

Related Post

𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚

Posted by - janvier 16, 2024 0
𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…