Ady amin’ny heloka anabaka: nisitraka fiofanana manokana ny Polisimpirenena

27 0
Nanomboka ny talata 09 jona 2026, tetsy amin’ny DRFC Antanimora, ny fiofanana momba ny fanadihadiana ireo heloka anabaka. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny polisy amin’ny fiatrehana ireo heloka atao amin’ny alalan’ny internet sy ny tambajotra sosialy, indrindra ireo mikasika ny ankizy.
Tontosa ny talata 09 jona 2026, tetsy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fiofanana Mitohy na DRFC Antanimora, ny fanokafana ny fiofanana mahakasika ny fanadihadiana ny heloka anabaka, fantatra amin’ny hoe cybercriminalité.
Ity fiofanana ity dia tanterahina ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisimpirenena sy ny Destiny Rescue International na DRI, avy any Afrika Atsimo. Nitarika ny fotoana ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy, niaraka tamin’ireo mpampiofana avy ao amin’ny DRI.
Anisan’ireo nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fanokafana ihany koa Andriamatoa MATTHEW VALENTINE, Talen’ny OSEC Destiny Rescue International, notronin’ireo mpiara-miasa aminy.
Araka ny fanazavana, mikendry ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo polisy mpanao fanadihadiana ity fiofanana ity, indrindra amin’ny fiatrehana ireo heloka an-tambajotran-tserasera mampiasa internet. Tafiditra ao anatin’izany ny fanararaotana ara-nofo an-tserasera, ny fakàna an-keriny, ary ny herisetra atao amin’ny ankizy amin’ny alalan’ny teknolojia sy ny tambajotra sosialy.
Mandray anjara amin’ity fiofanana ity ireo polisy avy amin’ny sampandraharaha samihafa. Anisan’izany ny Sampandraharaha miady amin’ny heloka anabaka, ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady, miaro ny zaza sy ny olona marefo na PMPM, ary ny Polisy misahana ny fikarohana fandikan-dalàna eo anivon’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna na SUT.
Ao anatin’ny fitomboan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny tambajotra sosialy no hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanadihadiana sy ny fisorohana ireo endrika heloka vaovao. Heverina ho dingana lehibe amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny olona marefo amin’ny sehatra nomerika ity fiofanana ity.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

𝐌𝐢𝐥𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐑𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐏 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐕𝐢𝐥𝐥𝐞

Posted by - janvier 24, 2024 0
𝔸𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝔽𝕒𝕟𝕒𝕓𝕖𝕒𝕫𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕒𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕒𝕟𝕚𝕠.   Raisinay ho adidy manokana ny fanaovana izao tatitra izao amin’ny Fitondram-panjakana. Raha…