Amoron’i Mania: zazavavy 9 taona voalaza fa saika nalaina an-keriny, lehilahy iray voasambotra

15 0

Niteraka ahiahy sy fahatairana teo anivon’ny fianakaviana sy ny mponina ny tranga iray nahavoarohirohy lehilahy iray tamin’ny fakàna an-keriny zazavavy kely 9 taona. Voavonjy ara-potoana ilay zaza, raha efa eo am-pelatanan’ny Zandarimariam-pirenena kosa ilay lehilahy voasambotra.

Tranga mifandraika amin’ny fakàna an-keriny zaza tsy ampy taona indray no voalaza fa niseho tao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny talata teo. Araka ny fampitam-baovao voaray, zazavavy kely 9 taona, avy any Ambahimanambola, Antsirabe, no voalaza fa lasibatry ny fakàna an-keriny.

Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona taorian’ny nahavoatonontonona azy tamin’ity raharaha ity. Raha ny fanazavana nentin’ny fianakaviana, dia olona akaiky ny fianakaviana ihany no ahiana ho tompon’antoka tamin’ny zava-nitranga.

Misy ihany koa ny ahiahy nipoitra fa mety nokasaina hoentina any amin’ny toerana fitrandrahana vato ilay zaza. Araka ny fitantaran’ny fianakaviana, dia voalaza fa nisy finoanoam-poana na fiheverana manokana nanosika ilay voarohirohy hanao izany, saingy mbola andrasana ny vokatry ny fanadihadiana ofisialy hanamarinana ny tena antony sy ny fizotry ny raharaha.

Soa ihany fa voavonjy ara-potoana ilay zazavavy kely, talohan’ny mety hahavoa azy. Taorian’izay dia voasambotry ny fokonolona ilay lehilahy voarohirohy, ary natolotra ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny CB Andranomadio Antsirabe hanaovana fanadihadiana.

Nambaran’ny dadaben’ilay zaza, hita amin’ny sary, fa mbola miandry ny fanazavana feno avy amin’ny mpanao fanadihadiana ny fianakaviana. Andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha sy ny fanapahan-kevitra horaisin’ny manampahefana mahefa.

Manoloana izao tranga izao, ilaina hatrany ny fitandremana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona, ny fianakaviana ary ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona sy amin’ny fanomezana vaovao marina mety hanampy ny fanadihadiana.

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…