Antananarivo – Hatramin’ny nanendrena an’i Alban Rakotoarisoa ho Tale Jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) tamin’ny 26 Desambra 2025, dia nisy korontana sy fanoherana anatiny niseho tao anatin’ity rafitra stratejika amin’ny fitaterana an’habakabaka ity. Ny fifandonana eo amin’ny mpiasa sasany, ny fiparitahan’ny tsikera ary ny famoahana tahirin-kevitra heverina ho miafina dia mampiseho fa mbola lalina ny disadisa ao anatiny.
Araka ny fanamarihan’ireo loharanom-baovao akaiky ny raharaha, mifandray amin’ny tahotra ny mety hiverenan’ny fanadihadiana momba ilay raharaha Boeing 777 niteraka resabe teo aloha ny ampahany amin’ireo fanoherana ireo. Ny tale jeneraly vaovao rahateo dia voalaza fa mikasa hanohy ny fanadihadiana momba io raharaha io, izay mety hahakasika olona sasany teo amin’ny fitantanana taloha.
Fanoherana avy ao anatiny
Araka ny fijoroana vavolombelona avy amin’ny mpiasa sasany, niteraka tsy fahafaliana teo amin’ireo mpiasa efa ela niasa sy ireo akaiky ny fitantanana teo aloha ny fanendrena an’i Alban Rakotoarisoa. Mpiasa iray naniry ny tsy hotononina anarana no nilaza fa tsy mbola nahitana fanoherana tahaka izao tamin’ny fanendrena tale vaovao teo anivon’ny ACM hatramin’izay.
Ny hafa kosa milaza fa mbola mavesatra ao an-tsain’ny mpiasa sasany ny fandroahana ny talen’ny teo aloha taorian’ilay raharaha Boeing 777. Mety ho izany, hoy izy ireo, no mahatonga ny fanehoana tsikera sy fanerena samihafa mikendry ny hanakorontana ny fitantanana vaovao.
Trakta sy fitakiana sosialy
Nivoatra ho amin’ny endrika fanerena mivantana ny toe-draharaha tamin’ny talata lasa teo, rehefa nisy trakta hita teo amin’ny tohatra ao amin’ny biraon’ny ACM, mitondra ny soratra hoe: “72 ora omenay ianao ry Bàbà.”
Ao anatin’ilay hafatra ihany koa no nisy fitakiana ara-tsosialy, toy ny fangatahana fitomboan-karama 14 % sy 5 % miaraka amin’ny fampiharana miverina, ary fanontaniana momba ny fikarakarana ny kantina ho an’ny mpiasa. Ho an’ny mpanara-maso sasany, ireo hetsika ireo dia mety ho fanehoana tsy fahafaliana ara-tsosialy, saingy misy ihany koa mihevitra fa tetika hanakanana ny fanavaozana sy ny fanadihadiana efa natomboka.
Andraikitra stratejika ho an’ny firenena
Na eo aza ireo fifandirana anatiny, mijanona ho rafitra manan-danja amin’ny fitaterana an’habakabaka eto Madagasikara ny ACM. Izy no miantoka ny fandrindrana sy ny fiarovana ny sidina sivily, sehatra iray tena ilaina amin’ny toekarena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Misy loharano ao anatiny ihany koa milaza fa mbola misy fanao toy ny nepotisma, clanisma na fanavakavahana izay manimba ny firaisankinan’ny mpiasa. Ho an’ny maro, ilaina ny famerenana ny fahatokisana sy ny mangarahara amin’ny fitantanana, mba hahafahan’ny rafitra manatanteraka tsara ny andraikiny.
Mazava ho an’ny mpanara-maso maro anefa ny zava-misy iray: rafitra an’ny Fanjakana Malagasy ny ACM, ary tsy tokony ho lasan’olona na vondrona iray hiarovana tombontsoa manokana. Ny fanamby ankehitriny dia ny famerenana ny filaminana sy ny fitokisana ao anatiny, mba hahafahan’ny rafitra miasa araka ny andraikiny ho tombontsoan’ny firenena.
Nangonin ‘Lay Mahitsy




