TETEZAM-BY EO BERITSY FOKONTANY MAVOGISA ANKILIZATO DISTRICT MAHABO RN 35, PK 357 +900

30 0
πŸ€—Noezahana novitaina farany izay hangana indrindra na dia tsy lafatra aza io tetezam-by io mba hamaliana ny filantsika mpisehatra @ fifamoivoizana mampiasa Io tetezana io raha toa ka nandalo fahasimbany andro vitsivitsy izay.
🚨Araka izany dia nidina teny an-toerana avy hatrany ny avy eto @ tobim-pileovan’ny zandarimaria eto Menabe niaraka tomponandra avy amin’ny fitalevam-paritry ny asa vaventy eto Menabe (DRTP) niaraka @ fitaovana ny Talata faha 04 jiona 2024 atoandro, nampian’ireo fokon’olona monina manodidina tarihin’ny sefo fokontanin’ny Begisa nanao izay fomba rehetra hamerenana @ laoniny ireo vy niala teo @ tetezana ary nanamafy izany amin’ny alalan’ny paik’ady tsotsotra nefa mahomby mandrapahatonga ireo teknisianina avy any @ ministeran’ny asa vaventy izay efa manana antondia manokana mahakasika ny fanamboarana io fotodrafitr’asa Io.
β›”πŸ’‚Tandremo fa nametrahana zandary avy @ BPR Miandrivazo eny antoerana manaramaso izay mety fihoara-pefy @ fampiasana izany ka songanina manokana @ izany ianareo fiara vavety, salasalao ihany ny entana entina mandalo eto fa ny BPR tsy handefitra intsony tompoko manomboka izao, satria 25 tonnes ihany no lanjan’ny entana tokony handalo amin’io tetezam-by Io. .πŸšœπŸššπŸš›
πŸ‘‰ZANDARIMARIA M.A.F.I
Miaro ho Antoky ny Fampandrosoana Ifotony πŸ’ͺ
Source : Groupement Menabe

Related Post

πŸ‘‰π…πˆπ‡π€π“π‘π„π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€ MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
βœ…πŒπ’πšπ­π«π’π€πš 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π’π‘πŒπ• 𝐬𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐒𝐬𝐚𝐀𝐲 𝐧𝐲 π›π’π«πšπ¨π¦-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 πŒπžπ§πšπ›πž 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…