SININGIA PORT-BERGE | NOHAMAFISINA NY TRAIKEFAN’IREO ZANDARIN’ALA. NIKARAKARA NAHATONTOSA AN’IZANY NY LEHIBEN’NY BORIBORINTANY.

379 0

TSININGIA PORT-BERGE | NOHAMAFISINA NY TRAIKEFAN’IREO ZANDARIN’ALA. NIKARAKARA NAHATONTOSA AN’IZANY NY LEHIBEN’NY BORIBORINTANY.

Ho fifehezana ny fandriampahalemana ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsiningia, Disitrikan’i Port-Bergé dia nandray fanapahan-kevitra ny Lehiben’ny Boriborintany, Neuilly Dosiharisoa na Lily fa hampiofana ireo zandarin’ala (quartier mobile) isaky ny fokontany. Narindra sy nalamina niaraka tamin’ny Filohan’ny fokontany isan-tanàna izany dia tontosa. Nampiofana azy 46 mirahalahy ireo nandritra andro maromaro ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Zana-Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Tsiningia. Fahamatoran’ny fiaraha-miasan’ireo zandary sy ny Lehiben’ny boriborintany no nahatanteraka antsakany sy andavany ny fampianarana. Nankasitraka ny Lehiben’ny boriborintany, Neuilly Dosiharisoa ireo Sefo fokontany sy quartier mobile amin’izao hetsika nataony izao.

Raha araka nambaran’izy ireo mantsy dia niantoka ny fampandehanana ny fiofanana ny tenany ary nanome sakafo sy omby iray. Ny alakamisy 16 mey no nanaovana famoahana azy ireo rehefa nahavita fiofanana. Tonga nitarika ny lanonana tany Tsiningia tamin’io fotoana ny Lehiben’ny Disitrikan’i Port-Bergé, Todivelo Cyrille sy ny Lefiny ary ireo Lehiben’ny boriborintany maromaro notarihin’ny tompon-toerana. Niatrika an’izany koa ny avy amin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Boriziny ary ny Ben’ny tanàna Tsiningia. Omby iray no natao nofon-kena mitam-pihavanana tamin’io.

«Raha mbola tratran’ny aiko sy vitako na handaniako vola aman-karena dia tsy maintsy ataoko ary vonona mandrakariva ny tenako raha mbola zavatra hanasoavana ny Tanindrazako dia ny Kaominina Tsiningia», hoy Ramatoa Déléguée Lily.

Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐒𝐘 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 29, 2024 0
𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮(06) 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗼𝗵𝗶𝗿𝗼𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗧𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗼𝗸𝗲 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗲𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆.   𝗧𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆…