Fanolorana tamin’ny fomba ofisilay ny kandidan’ny Vovonana firaisankina Distrika Moramanga, lisitra tarihin’ny Dokotera Andry N°3

230 0
Fanolorana tamin’ny fomba ofisilay ny kandidan’ny Vovonana firaisankina Distrika Moramanga, lisitra tarihin’ny Dokotera Andry N°3
 
Tao amin’ny efitrano malalaka ny Bezanozano Hotel no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny kandida ny vovonana firaisankina ny alarobia faha 24 ny volana aprily taona 2024, lisitra tarihin’ny Dokotera Andry.
Tonga nanome vononahitra ny lanonana sy nitsodrano ny kandida avy amin’ny Vovonana FIRAISANKINA , ny birao politika nationaly notarihin’Atoa PARAINA Auguste raha toa ka tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia mivantana kosa ny fitsofandranon’izy ireo nataon’ny Atoa Marc RAVALOMANANA, izay tsy afaka nanatrika mivantana ny fotoana noho ny raharaha Olga RAMALASON , kandidan’ny Vovonana FIRAISANKINA amin’ny fifidianana ho Solombavambahoaka ao Antsirabe I. Nampanantena kosa ny tenany fa ho avy eto Moramanga ao anatin’ny fotoanan’ny fampihelezan-kevitra.
 
« Andrim-panjakana ny Antenimierampirenena hoy Dokotera Andry, kandida N°3 koa ho Andrim-bahoaka fa tsy andrin’ny Mpitondra Fanjakana ny Solombavambahoaka natolotry ny Vovonana FIRAISANKINA, hijoro handa sy hanohitra ny tsy mety ary hanatsara hatrany izay mety ka mahasoa ny vahoaka »
 
Nangonin’i Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 – 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗵𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗣𝗿𝗮𝗶𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 « Hiaro anareo amin`ny…

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…