Fanolorana tamin’ny fomba ofisilay ny kandidan’ny Vovonana firaisankina Distrika Moramanga, lisitra tarihin’ny Dokotera Andry N°3

143 0
Fanolorana tamin’ny fomba ofisilay ny kandidan’ny Vovonana firaisankina Distrika Moramanga, lisitra tarihin’ny Dokotera Andry N°3
 
Tao amin’ny efitrano malalaka ny Bezanozano Hotel no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny kandida ny vovonana firaisankina ny alarobia faha 24 ny volana aprily taona 2024, lisitra tarihin’ny Dokotera Andry.
Tonga nanome vononahitra ny lanonana sy nitsodrano ny kandida avy amin’ny Vovonana FIRAISANKINA , ny birao politika nationaly notarihin’Atoa PARAINA Auguste raha toa ka tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia mivantana kosa ny fitsofandranon’izy ireo nataon’ny Atoa Marc RAVALOMANANA, izay tsy afaka nanatrika mivantana ny fotoana noho ny raharaha Olga RAMALASON , kandidan’ny Vovonana FIRAISANKINA amin’ny fifidianana ho Solombavambahoaka ao Antsirabe I. Nampanantena kosa ny tenany fa ho avy eto Moramanga ao anatin’ny fotoanan’ny fampihelezan-kevitra.
 
« Andrim-panjakana ny Antenimierampirenena hoy Dokotera Andry, kandida N°3 koa ho Andrim-bahoaka fa tsy andrin’ny Mpitondra Fanjakana ny Solombavambahoaka natolotry ny Vovonana FIRAISANKINA, hijoro handa sy hanohitra ny tsy mety ary hanatsara hatrany izay mety ka mahasoa ny vahoaka »
 
Nangonin’i Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐌𝐩𝐢𝐤𝐚𝐭𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐓𝐆𝐕 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚 | 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…