Kaominina Ambohidava | Mahatsiaro ho gisitra eo amin’ny resaka fampandrosoana.

192 0

Malahelo ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Ambohidava , Distrikan’Ambatondrazaka fa mahatsiaro ho gisitra eo amin’ny resaka fampandrosoana.

Nandritra izay 04 taona nitondran’ny ben’ny tanana izay hoy izy ireo dia tsy mba nisy fotodraditr’asa na faran’izay bitika aza vita tao amin’ny renivohitry ny kaominina fa ireo efa nitsangana aza rava sy miha simba fa tsy mba misy fikarakarana.

Nandiso fanantenana azy ireo ihany koa ireo solombavam-bahoaka satria tsy mba niady ny tombotsoan’izy ireo na dia efa mitaraina mafy amin’izy ireo aza ny vahoaka, ilay solombavam-bahoaka voafidy tamin’ny antoko TIM izay nampirisika anay nifidy ny ben’ny Tanana TIM ary moa hoy hatrany izy ireo tsy mbola nanitsaka ity Kaominina ity hatramin’ny naha lany azy fa tena adinony tanteraka ny fisinay.

Anisan’ny tena olana sedrain’ny tantsaha amin’io Kaominina io moa tsy fisian’ny Barazy hifehezana ny rano izay efa nanaovan’izy ireo fitarainana sy fangatahana saingy hatramin’izao tsy misy valiny izany fangatahana izany, koa manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy izy ireo mba hijery ny Kaominina Ambohidava fa tena lasa zanak’Ikala hafa.

Nangonin’i Lova Janà

 

Related Post

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐕𝐎𝐍𝐉𝐄𝐎 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐀𝐍𝐀𝐊𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐀 𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐏𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐌𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…