Kaominina Ambohidava | Mahatsiaro ho gisitra eo amin’ny resaka fampandrosoana.

464 0

Malahelo ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Ambohidava , Distrikan’Ambatondrazaka fa mahatsiaro ho gisitra eo amin’ny resaka fampandrosoana.

Nandritra izay 04 taona nitondran’ny ben’ny tanana izay hoy izy ireo dia tsy mba nisy fotodraditr’asa na faran’izay bitika aza vita tao amin’ny renivohitry ny kaominina fa ireo efa nitsangana aza rava sy miha simba fa tsy mba misy fikarakarana.

Nandiso fanantenana azy ireo ihany koa ireo solombavam-bahoaka satria tsy mba niady ny tombotsoan’izy ireo na dia efa mitaraina mafy amin’izy ireo aza ny vahoaka, ilay solombavam-bahoaka voafidy tamin’ny antoko TIM izay nampirisika anay nifidy ny ben’ny Tanana TIM ary moa hoy hatrany izy ireo tsy mbola nanitsaka ity Kaominina ity hatramin’ny naha lany azy fa tena adinony tanteraka ny fisinay.

Anisan’ny tena olana sedrain’ny tantsaha amin’io Kaominina io moa tsy fisian’ny Barazy hifehezana ny rano izay efa nanaovan’izy ireo fitarainana sy fangatahana saingy hatramin’izao tsy misy valiny izany fangatahana izany, koa manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy izy ireo mba hijery ny Kaominina Ambohidava fa tena lasa zanak’Ikala hafa.

Nangonin’i Lova Janà

 

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 : 𝐌𝐈𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐙𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐈𝐅𝐎𝐓𝐒𝐘

Posted by - février 25, 2026 0
Antanifotsy, 24 Febroary 2026 – Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fampandrosoana eny ifotony ny dinika notarihin-dRamatoa Ravaonirina Nathalie Sebastienne, Lehiben’ny Faritra…