Mandritsara : Tsy ekenay Mandritsara ny fanesorana an’i Procureur miaro ny tanànanay hoy ireo vahoaka raha nametraka sora-baventy androany.

332 0

Mandritsara : Tsy ekenay Mandritsara ny fanesorana an’i Procureur miaro ny tanànanay hoy ireo vahoaka raha nametraka sora-baventy androany.

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha mahavoarohirohy an’i mpandraharaha roa teto Mandritsara ,TSAMBA sy RIADY . Androany atalata faha 16 avrily 2024 , tamin’ny 08h teo dia nifamory tao amin’ny biraon’ny sojabe Mandritsara ny vahoaka tsy mankasitraka fanesorana an’i « PROCUREUR » noho ny fanenjehan’ny ireo mpandraharaha roa voarohirohy amin’ny heloka be vava iray volana lasa izay.

Teboka efatra teo no tena antony fivoriana :

  1. Fangatahana amin’ny filohan’ny repoblika Malagasy sy praiministra tsy hanesorana an’i « PROCUREUR » raha tsy vita ny fanjehana ireo olon-droa ireo,
  2. Fangatahana amin’ny ministra foloalindahy mba hanandefa zandary sy miaramila ary polisy avy any ambony mba hanao fanadihadiana aty Mandritsara,
  3. Teo ihany koa ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo efa lasibatra amin’ny fanafiahana nataon’ireo iraka TSAMBA sy RIADY izay mpamatsy basy sy bala ireto araka ny fanazavan’ny mpanankato LEZANZY sy ny vadiny.

Raha tsiahivina dia efa ela izy ireo no mampihorohoro ny vahoakan’i Mandritsara ary efa maro no lasibatra fa tsy misy sahy nitory, satria milaza mahafantatra olona ambony ireto mpampihorohoro ireto, ary tamin’ny raharahan’ny BEMA mpividy omby sy ny LEZANZY miaraka amin’ny vadiny ,vao nisy sahy nanenjika ,kanefa indray tadiavina hesorina eto Mandritsara PROCUREUR izay sahy misambotra izy ireo , tsy ankasitrihinay ,tsy ekenay , avelao eto PROCUREUR hanadio tanànanay hoy vahoaka eto Mandritsara sy mpanankato LEZANZY miaraka amin’ny vadiny ,raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teto Mandritsara ,teo amin’ny lapan’ny sojabe androany.

Etsy ankilany , efa misy avy amin’ireo fianakaviana voarohirohy ireto no manangon-tsonia ,mitady olona 1000 entina hanadio RIADY sy TSAMBA ka isany nangatahan’izy ireo sonia iray amin’ireo lasibatra ,LEZANZY ary nandao tsy hanao izany sonia izany ny tenany, ary efa misy amin’ireo ben’ny tanàna no nanaiky nanao sonia hoy mpanankato LEZANZY .

Vaovao nomen’i Ndriamitana Ofisialy.

Related Post

𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟱 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…