Mandritsara : Tsy ekenay Mandritsara ny fanesorana an’i Procureur miaro ny tanànanay hoy ireo vahoaka raha nametraka sora-baventy androany.

189 0

Mandritsara : Tsy ekenay Mandritsara ny fanesorana an’i Procureur miaro ny tanànanay hoy ireo vahoaka raha nametraka sora-baventy androany.

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha mahavoarohirohy an’i mpandraharaha roa teto Mandritsara ,TSAMBA sy RIADY . Androany atalata faha 16 avrily 2024 , tamin’ny 08h teo dia nifamory tao amin’ny biraon’ny sojabe Mandritsara ny vahoaka tsy mankasitraka fanesorana an’i « PROCUREUR » noho ny fanenjehan’ny ireo mpandraharaha roa voarohirohy amin’ny heloka be vava iray volana lasa izay.

Teboka efatra teo no tena antony fivoriana :

  1. Fangatahana amin’ny filohan’ny repoblika Malagasy sy praiministra tsy hanesorana an’i « PROCUREUR » raha tsy vita ny fanjehana ireo olon-droa ireo,
  2. Fangatahana amin’ny ministra foloalindahy mba hanandefa zandary sy miaramila ary polisy avy any ambony mba hanao fanadihadiana aty Mandritsara,
  3. Teo ihany koa ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo efa lasibatra amin’ny fanafiahana nataon’ireo iraka TSAMBA sy RIADY izay mpamatsy basy sy bala ireto araka ny fanazavan’ny mpanankato LEZANZY sy ny vadiny.

Raha tsiahivina dia efa ela izy ireo no mampihorohoro ny vahoakan’i Mandritsara ary efa maro no lasibatra fa tsy misy sahy nitory, satria milaza mahafantatra olona ambony ireto mpampihorohoro ireto, ary tamin’ny raharahan’ny BEMA mpividy omby sy ny LEZANZY miaraka amin’ny vadiny ,vao nisy sahy nanenjika ,kanefa indray tadiavina hesorina eto Mandritsara PROCUREUR izay sahy misambotra izy ireo , tsy ankasitrihinay ,tsy ekenay , avelao eto PROCUREUR hanadio tanànanay hoy vahoaka eto Mandritsara sy mpanankato LEZANZY miaraka amin’ny vadiny ,raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teto Mandritsara ,teo amin’ny lapan’ny sojabe androany.

Etsy ankilany , efa misy avy amin’ireo fianakaviana voarohirohy ireto no manangon-tsonia ,mitady olona 1000 entina hanadio RIADY sy TSAMBA ka isany nangatahan’izy ireo sonia iray amin’ireo lasibatra ,LEZANZY ary nandao tsy hanao izany sonia izany ny tenany, ary efa misy amin’ireo ben’ny tanàna no nanaiky nanao sonia hoy mpanankato LEZANZY .

Vaovao nomen’i Ndriamitana Ofisialy.

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…

𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆.

Posted by - octobre 3, 2023 0
𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆. Miantsoroka andraikitra sarotra, mihatra aman’aina ny mpanao gazety, manatanteraka ny…