LOLA RASOAMAHARO : NOHELOHIN’NY FITSARANA HIGADRA 5 TAONA AN-TRANOMAIZINA

370 0

Nohelohin’ny Fitsarana higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra, miampy onitra 20 tapitrisa Ar sy lamandy 10 tapitrisa Ar Atoa Lola Rasoamaharo, tompona orinasan-gazety. Io no didy tamin’ny fitorian-dRtoa Brigitte Razaka, izay nitory azy ho nanao fitakiam-bola tsy ara-drariny mitentina 885 tapitrisa Ar sy nanao fanalam-baraka ary nanao fandrahonana azy tamin’ny kisarisary na « graffitis », ka nisamborana sy nampidirana azy am-ponja nanomboka ny 25 martsa 2023 lasa teo.

Ny fanazavana efa nataon’ny ankilany kosa dia resaka fitakiam-bola tamin’ny alalan’ny hafatra tamin’ny mailaka na “mail” indray mandea noho ny vidin-tany 11 miliara Ar saingy 3 miliara Ar no voaloa no nataony. Tsy teto an-toerana ihany ko aizy tamin’ny fotoana nisian’ny sarisary fandrahonana, raha ny fanazavana efa nentin’ny mpisolovava azy. Henjana ny sazy ka nilaza ny hampiakatra ny raharaha ny fianankaviany.

Momba ny raharaha faharoa kosa, maty paik’andro ny fitorian’ny Jirama, ka nohafahana tamin’io izy. Ity raharaha faharoa ity anefa no nanakatonana ny La Gazette sy nanagiazana ny fananany manontolo ka asa izay ho avin’io gazety io taorian’ny didy? Maro no mandray ny fandetehana an’Atoa Lola Rasoamaharo ho misy ambadika politika avo lenta noho ny tsikera mivaivay nataon’ny La Gazette eo anatrehan’ny zavatra heveriny fa tsy mety eto amin’ny firenena.

Efa nisy moa ny fampahalalam-baovao nilaza hoe : « misy tompon’andraikitra ambony nanambitamby azy 95 tapitrisa isam-bolana mba hiarovana sy hanadiovana fitondrana amin’ny alalan’ny lahatsoratra an-gazety ary nandray an’io izy ny volana febroary 2023 fa tsy nety nandray intsony izy ny volana marsa satria tsy te hiaro ny tsy azo arovana intsony. Efa tonga tao amin’ny biraony io vola io nisy nanatitra saingy tsy noraisiny, ka mety tezitra tamin’izay ny fitondram-panjakana ka nanosika an’i Briditte Razaka hitory azy». Avo lenta ity raharaha ity, ka samy mety hanana ny handikany azy ny rehetra.

Ny azo antoka dia misy mpitondra Fanjakana tsy faly aminy sy nifanenjana taminy na teo aza ilay raharaha nanamelohana azy 5 taona, ka maro no maneho fa misy ifandraisany amin’ireny, ary efa maty paika ny fandetehana azy. Izy izay efa somary nahazo taona, ary nandritra ny fitsarana ny 06 jona teo aza dia safotra teny amin’ny fitsarana. Misy no mametra-panontaniana ankehitriny hoe : kasaina hovizanina sy hovonoina any am-ponja mihitsy ve Atoa Lola Rasoamaharo fa manelingelina ?

Source : GAZETY TIA TANINDRAZANA

Related Post

Depioté Haja Dinah | nanampy ny voafonja ao Toamasina

Posted by - février 22, 2026 0
𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄́ 𝐇𝐀𝐉𝐀 𝐃𝐈𝐍𝐀𝐇 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐌𝐀𝐗 : 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀𝐕𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 Nitohy…