πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€ π€ππ“π€ππ€ππ€π‘πˆπ•πŽ π€π•π€π‘π€πƒπ‘π€ππŽ : π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€ππ€ π…π€ππ€πŽ πˆπ’π€πŠπ˜ 𝐍𝐘 π‘πŽπ€ π•πŽπ‹π€ππ€ πŒπˆπ€π‘π€πŠπ€ π€πŒπˆπ’πˆπ‘π„πŽ 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀

159 0
Tontosa androany Zoma 12 Aprily 2024 teto amin’ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao isaky ny roa volana ho an’ireo Ben’ny Tanana eto amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano.
Ankoatra ireo tatitra mahakasika ny asa vitan’ny Ben’ny Tanana tsirairay sy ny fanamarihana isankarazany mahazatra dia noresahina manokana ny mahakasika ny Komity Loharano, ny karnem-pokontany misy « QR CodeΒ Β», ny tetikasan’ny fitondram-panjakana eto amin’ny distrika, ny tsara ho fantatra momba ny fifidianana solombavambahoaka ho tanterahina ny 29 May 2024 ary ny « RALE 2024Β Β» na ny Fanavaozana isantaona ny lisitry ny mpifidy.
 
Ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nitarika ny fivoriana ary nahatonga solontena avokoa ireo rantsa mangaika avy amin’ireo solontem-panjakana sy ny olom-boafidy ary ireo olom-boatendry, ny avy amin’ny mpitandron’ny filaminana, ny fahasalamana ary ny fampianarana. Niarahaba manokana ny Sefo Distrika Ramiandrisoa Mahefandrainibe Haritiana ireo ben’ny tanana noho izy voatendry hiasa indray eto amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano. Isaorana ny rehetra izay naneho firahalahiana sy ny fiara-mientana ho an’ny Distrika Avaradrano, isaorana manokana ny Ben’ny Tananan’Ambohitrabiby amin’ny fandraisana ny fivoriana.
 
πŸ“· : Commune Rurale Alasora Ofisialy

Related Post

Kaominina ambanivohitra BemokotrΓ  | Fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy

Posted by - mai 18, 2025 0
π€π§π­πšπ§πšππšπ―πš/ππžπ¦π¨π€π¨π­π«πšΜ€: 𝐍𝐒𝐭𝐨𝐀𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπ¨π¦π›πš 𝐨𝐟𝐒𝐬𝐒𝐚π₯𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐬𝐚𝐀𝐲 𝐧𝐲 𝐀π₯𝐚𝐑𝐚𝐝𝐲. Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka…

π’πšπ«π¨π›π’ππ² 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐬𝐚π₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚

Posted by - janvier 9, 2024 0
π’πšπ«π¨π›π’ππ² 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐬𝐚π₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚…   Manoloana ny fiparitahan’ny aretina maso ao amin’ny Faritra Boeny, dia tonga anio ary hiparitaka amin’ireo tompim-pahasalamana…