TOAMASINA: Toy ny fanao isan-taona dia notanterahina omaly, ny fivoriana niarahan’ny Mpitsara  sy ny Officiers de police Judiciaire(OPJ).

399 0

Nitarika izany ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Atoa Vahiny Yvi SANDRO.

Fanatsaràna hatrany ny fomba fiasa ,fanaovana tomban’ezaka ny zava-bita ary fanatsarana ny  fifandraisana eo amin’ireo
OPJ sy ny Mpitsara no tanjona.

Nambaran’ny  Lehiben’ny fampanoavana,fa hamafisina ny  paik’ady rehetra iadiana amin’ny trangana fanolanana sy ny tsy fandriam-pahalemana.
Tsy  tsy maintsy tazonina na giazana  ireo fitaovana tsy ara-dalàna izay tratra tamin’ireo mpanao ratsy ,anisan’izany ireo basy tsy ara-dalàna nampiasain’ireo jiolahy izay  azon’ny
mpitandro ny filaminana.


Hamafisina hatrany fa zava-dehibe ny fiarovana ny ain’ny vahoaka  sy ny fananany ka hisy paik’ady apetraka mba hampihenana ny trangana tsy fandriam-pahalemana.


Nangonin’i Claudiav Tsitolomy

Related Post

✓ 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍-𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘

Posted by - mai 3, 2024 0
𝑻𝒐𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒔𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒕𝒔𝒊𝒎𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂 𝒔𝒚 𝑻𝒐𝒍𝒊𝒂𝒓𝒚 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒂-𝒎𝒂𝒏𝒌𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐…