Toliara | nanao rodobe namboly hazo ny alem-paritry ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovain-jafy

666 0

Mba ho fanatanterahana ny politika ankapobeny ny Fanjakana sy ny fanatratrarana ny 100 andro, dia nanatanteraka fambolen-kazo ho entina hanatsarana endrika ny tananan’i Toliara ny avy ao amin’ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovain-jafy Atsimo-Andrefana, ka natao miditra ny tananan’i Toliara sy mivoaka izany fambolen-kazo izany.

Teny Andatabo, Kominin’i Betsinjaka izay tanana voalohany miditra ny Toliara raha manaraka ny Lalam-pirenena faha-7 iny no nisantarana izany androany 28 Febroary 2024, izay niarahana tamin’ireo fokonolona VOI izay vonona hikarakara sy hiambina ireto zanakazo natsatoka ireto. Zanakazo akao na Flaos ary asenjy no novolena manamorona ny arabe. Santatra ambavarano ihany izao hoy ny Talem-paritry ny Tontolo iainana Atsimo-Andrefana MARA Edena fa mbola hisy fitohizany izay tsy maintsy hataomanamorona ny RN9 mivoaka ny Toliara mihazo ny Faritra Menabe iny.

Nangonin’i JOB

Related Post

Distrikan’Ambatondrazaka | Akon’ny andron’ny 08 MARTSA

Posted by - mars 8, 2025 0
« 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy…

𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄

Posted by - août 31, 2024 0
𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄 ᴢᴏᴍᴀ 30 ᴀᴏɢᴏsɪᴛʀᴀ 2024 ,ᴇғɪᴛʀᴀɴᴏ ᴍᴀʟᴀʟᴀᴋᴀ ɴʏ ғᴀʀɪᴛʀᴀ…