Distrikan’Amparafaravola | Sefo fokontany 189 no nisitra Bisikileta VTT vaovao

1570 0
Sefo fokontany 189 avy amin’ny kaominina 22 ao amin’ny distrikan’Amparafaravola no nisitraka Bisikileta VTT vaovao, Androany Talata 27 Febroary no natolotra azy ireo izany, ary tamin’ny alalan’ny CIAD izay famantsiam-bola avy amin’ny Fitondram-panjakana tantanan’ireo solombavam-bahoaka mianadahy ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola no nividianana izany.
 
Izao no natao, dia ho fankasitrahana sy ho famporisihana azyu ireo eo amin’ny fanatanterahana ny asa aman’andraikitra sahanin’izy ireo.
 
 Tsy madino anareo sefo fokontany izahay hoy ny Solombavam-bahoaka Émiline RAKOTOBE teo ampanolorana ireo bisikileta ary nisaotra ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina nanome azy ireo ny vola tamin’ny alalan’ny CIAD.
 
Nangonin’i Lova – Ambato

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘

Posted by - février 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘 (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐣𝐚𝐤𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…