DPJ-DRSP ATSINANANA | COCAÏNE MILANJA 64,32 KG SARON’NY POLISY TANY TOAMASINA

279 0
DPJ-DRSP ATSINANANA
FANAFARANA SY FITAZOMANA ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA: COCAÏNE MILANJA 64,32 KG SARON’NY POLISY TANY TOAMASINA , TELO LAHY TOMPON’ANTOKA NALEFA ENY TSIAFAHY
 
✅️ Cocaïne milanja 64,32 kg no tra-tehaky ny Polisy ny alatsinainy 19 febroary 2024 tao amin’ny toeram-pametrahana entan’ny orinasa lehibe iray ao Androranga Toamasina.
 
✅️ Naharay angom-baovao ny Polisy mahakasika ny fivezivezen’ny zava-mahadomelina mahery vaika ao Toamasina sy ny fikasana hanaparitaka izany eto an-drenivohitra sy manerana ny Nosy. Araka izany dia nisy ny fisavana natao tamin’ny « entrepôt » iray tao Androranga ny 19 febroary lasa teo ka tamin’izany no nahatratrarana vovon-javatra miloko fotsy notsinjaraina anaty harona plastika miisa 57 .
Nosamborina avy hatrany ireo telo lahy tompon’ilay toerana fitehirizan’entana ary nentina nihazo an’ Antananarivo hatao famotorana.
 
✅️ Rehefa natao ny « test » dia fantatra fa cocaïne avokoa ireo hita tany Toamasina ireo . Nogiazana avy hatrany moa ireo cocaïne ireo ary nodorana araka ny fahazahoan-dalana avy tamin’ny fampanoavana.
Tombanana ho 19 296 000 000 Ar ny fitambaran’ny tetibidin’ireto cocaïne ireto.
 
🚨 Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy 22 febroary ny raharaha ka naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy telo lahy ireto.
 

Related Post

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…