DPJ-DRSP ATSINANANA | COCAÏNE MILANJA 64,32 KG SARON’NY POLISY TANY TOAMASINA

168 0
DPJ-DRSP ATSINANANA
FANAFARANA SY FITAZOMANA ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA: COCAÏNE MILANJA 64,32 KG SARON’NY POLISY TANY TOAMASINA , TELO LAHY TOMPON’ANTOKA NALEFA ENY TSIAFAHY
 
✅️ Cocaïne milanja 64,32 kg no tra-tehaky ny Polisy ny alatsinainy 19 febroary 2024 tao amin’ny toeram-pametrahana entan’ny orinasa lehibe iray ao Androranga Toamasina.
 
✅️ Naharay angom-baovao ny Polisy mahakasika ny fivezivezen’ny zava-mahadomelina mahery vaika ao Toamasina sy ny fikasana hanaparitaka izany eto an-drenivohitra sy manerana ny Nosy. Araka izany dia nisy ny fisavana natao tamin’ny « entrepôt » iray tao Androranga ny 19 febroary lasa teo ka tamin’izany no nahatratrarana vovon-javatra miloko fotsy notsinjaraina anaty harona plastika miisa 57 .
Nosamborina avy hatrany ireo telo lahy tompon’ilay toerana fitehirizan’entana ary nentina nihazo an’ Antananarivo hatao famotorana.
 
✅️ Rehefa natao ny « test » dia fantatra fa cocaïne avokoa ireo hita tany Toamasina ireo . Nogiazana avy hatrany moa ireo cocaïne ireo ary nodorana araka ny fahazahoan-dalana avy tamin’ny fampanoavana.
Tombanana ho 19 296 000 000 Ar ny fitambaran’ny tetibidin’ireto cocaïne ireto.
 
🚨 Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy 22 febroary ny raharaha ka naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy telo lahy ireto.
 

Related Post

𝐋𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐓𝐈𝐄 𝐌𝐎𝐁𝐈𝐋𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 « 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐓 𝐊𝐎𝐓𝐎

Posted by - mars 24, 2025 0
𝘽𝙀𝙏𝘼𝙇𝙀𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙎𝙔 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙏𝙊𝙈𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼, 𝙁𝙊𝙆𝙊𝙉𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙉𝙄𝙎𝘼𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙈𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙃𝘼𝙇𝘼𝙏𝙍’𝙊𝙈𝘽𝙔 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙆𝘼𝙊𝙈𝙄𝙉𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝙄𝙑𝙊𝙃𝙄𝙏𝙍𝘼 𝘽𝙀𝙈𝘼𝙄𝙏𝙎𝙊, 𝘿𝙄𝙎𝙏𝙍𝙄𝙆𝘼 𝘼𝙉𝘿𝙄𝙇𝘼𝙈𝙀𝙉𝘼. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandà…