HO AFAKA AMIN’NY HAIZINA IREO VAHOAKA AO TSARAHASINA – BORIZINY

611 0

Fokontany miisa 07 ao amin’ny renivohitra Kaominina ambanivohitra Tsarahasina , Disitrikan’i Port-Bergé no kendrena hisitraka ny hazavana avy amin’ny masoandro amin’ny alalan’ny « parc solaire ».

Efa miroso amin’ny fananganana andrin-jiro (poteaux) ireo teknisianina an’izao tetikasa izao. Tonga nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa sady nampahery an’ireo mpiasa i Olivier Rabeamina dit Lekarany, Mpanolontsain’ny Filoha Lefitra ny Antenimierampirenena (VPAN) misahana ny Faritany Mahajanga androany talata 20 Febroary 2024.

Nisaotra manokana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tenany. Haharitra telo volana ny asa ka aorian’izany dia hiaina ao anaty tontolo vaovao mazava ireo mponina ao an-toerana.

Nangonin’i Gabin Eloi 

Related Post

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…