Firenena 183 no nanao sonia ny Sonia CITES

710 0

📌 Firenena 183 no nanao sonia ny Sonia CITES (Convation sur le Commerce International des Espèces de faune et de Flore Sauvages menacée d’extension), anisan’io i Madagasikara.

📌 Izany indrindra no mahatonga ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy ato anatin’ny Faritra Atsimo Andrefana MARA Edena, tsy manao ambanin-dra ny fiarovana ireo biby sy zava-maniry arovana. JABIHY 28 gony no tratran’ireo zandary avy ao Mahaboboke izay eo ambany fiahian’ny kompania Toliara I ka tsy maintsy no giazana ka natolotry ny DREDD Atsimo Andrefana ireo hazo mba ho karakaraina ka hamerina azy any amin’ny toerana eretreretina mba hiverenan’ny fahavelomany.

📌 Mbola nanentana hatrany moa ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy Atsimo Andrefana ny hiarovana hatrany ireo biby sy hazo arovana ary tsy handefitra amin’ireo olona minia tsy mahafantatra an’izany.

🆔 Joachim Ambroise 

Related Post

Fédération Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - décembre 17, 2023 0
𝐅𝐞́𝐝𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐞 𝐊𝐮𝐧𝐠-𝐅𝐮 𝐖𝐢𝐬𝐚 — 15 décembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…