FAHATSIAROVANA NY TOLONA 07 FEBROARY 2009

128 0

« Fitiavan-tanindrazana no nahalavo ireo havantsika, mpiray tanindrazana amintsika lavo teny Ambohitsirohitra 15 taona lasa izay, koa rariny raha tsarovana manokana izy ireo androany, omem-boninahitra ary tsy very maina ny rà latsaka tamin’izany fa tsy maintsy mitohy hatrany ny tolona dia ny hampandroso an’i Madagasikara »

 

Raha fintinina dia io no teny nataon’ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA, raha nahatsiaro ny tolona natao izay  efa 15 taona lasa izay.

Tonga nanatitra fehezam-bonin-kazo teny Antaninarenina ny tenany, miaraka tamin’ireo Mpikamba marobe ao amin’ny Antoko TGV, UPAR, MAPAR izy androany. Ary olom-boatendry sy olom-boafidy maro.

Fa ankoatry ny tenany dia tonga teny ihany koa ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo ZAFITSIMIVALO, sy ireo mpiara-dia aminy nanatitra fehezambonin-kazo tamin’ny anaran’ny teanany manokana, tamin’izany no nanambarany fa raha ny « Demokrasia » no nimatimatesana tamin’izany fotoana, dia mifanipaka amin’izany no iainana ankehitriny.

Ireo avy ao amin’ny Fikambanana KMD ( Komity Miaro ny Demokrasia) koa dia nahatsiaro manokana an’ity vaninandron’ny 07 Febroary ity, izay notarihin’ny Filohany

Nangonin’ Lay Mahintsy

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…