FAHATSIAROVANA NY TOLONA 07 FEBROARY 2009

422 0

« Fitiavan-tanindrazana no nahalavo ireo havantsika, mpiray tanindrazana amintsika lavo teny Ambohitsirohitra 15 taona lasa izay, koa rariny raha tsarovana manokana izy ireo androany, omem-boninahitra ary tsy very maina ny rà latsaka tamin’izany fa tsy maintsy mitohy hatrany ny tolona dia ny hampandroso an’i Madagasikara »

 

Raha fintinina dia io no teny nataon’ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA, raha nahatsiaro ny tolona natao izay  efa 15 taona lasa izay.

Tonga nanatitra fehezam-bonin-kazo teny Antaninarenina ny tenany, miaraka tamin’ireo Mpikamba marobe ao amin’ny Antoko TGV, UPAR, MAPAR izy androany. Ary olom-boatendry sy olom-boafidy maro.

Fa ankoatry ny tenany dia tonga teny ihany koa ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo ZAFITSIMIVALO, sy ireo mpiara-dia aminy nanatitra fehezambonin-kazo tamin’ny anaran’ny teanany manokana, tamin’izany no nanambarany fa raha ny « Demokrasia » no nimatimatesana tamin’izany fotoana, dia mifanipaka amin’izany no iainana ankehitriny.

Ireo avy ao amin’ny Fikambanana KMD ( Komity Miaro ny Demokrasia) koa dia nahatsiaro manokana an’ity vaninandron’ny 07 Febroary ity, izay notarihin’ny Filohany

Nangonin’ Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…