Nahazo Fampitaovana sy trano fitsaboana ny tanoran’ny Morondava

171 0

πŸ“Œ Nandritrin’ny fandalovan’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Andriamatoa Haja Resampa sy ny mpandrindra ny UNFPA eto Madagasikara ramatoa Josiane Yaguibo teto Morondava dia nisy ny fznaovan_tsonia ny fiarahamiasa eo amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena andaniny sy ny FISA Madagasikara ankilany izay mirakitra ny fananganana trano fitsaboana hisahana ny fahasalamana aram-pananahan’ny tanora, izay vatsian’ny UNFPA vola.

πŸ“Œ Nilaza moa ny Filohan’ny FISA fa efa vita ny fanadihadiana ary hiroso amin’ny dingana manaraka izao dia ny fiantsoana ny Tetik’asa ho an’izay hanatanteraka ny asa ka 100 andro aorian’ny fahafatarana ny orinasa hanao ny asa dia vita ny asa. Nisy koa moa ny Fampitaovana ny tranoben’ny tanora izay nanampiana ny sehampihofanana ka fitaovana maro avy tamin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena izay novatsian’ny UNFPA vola ka fitaovan-dakozia sy fanaovana mofo mamy maro.

πŸ“Œ Izao no natao hoy ny minisitra dia ho fanampiana ireo tanora indrindra ny vehivavy mba hivoatra sy afaka mamorona asa ho an’ny tenany aorian’ny fiofanana.

πŸ“Œ Isany fanantan-erahana ny vinan’ny filoham-pirenena izao hoy ny minisitra mba hampandrosoana ireo tanora izay maro an’isa eto Madagasikara ka ny tanora no mandroso dia Madagasikara koa mandroso.

πŸ†” Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…