Fanolanana zaza tsy ampy taona : vosirina avokoa ireo voaheloka

566 0
📌 Nolaniana teny amin’ny antenimierampirenena androany ny lalàna famaizana vaovao ampiharina amin’ireo zaza tsy ampy taona. Izany dia mifototra amin’ny famosirana ireo voaheloky ny Fitsarana.
Amin’ny ankapobehany mizara roa ny fomba famosirana. « Castration chimique » izay voafetra ny fotoana ao anatin’ny 6 volana ny maha vositra ny voaheloka hitsinjovana ny tsy fahafahany manolana. Ny « castration chirurgicale » dia sazy mandrapahafatiny. Ho enjana ihany koa ny sazy hiatra amin’ny mpamerin-keloka izay iharan’ny sazy an-terivozona mandrapahafaty no miampy « castration chirurgical » raha mbola tsy natao taminy izany teo aloha.
 
📌Mihatra avy hatrany io lalàna io vao mivoaka amin’ny haino aman-jery ary tsy miandry ny fankatoavana avy amin’ny HCC toy ny lalàna mahazatra noho ny hamehana. Tsiahivina fa tsy maintsy noraisina izao fanapahan-kevitra izao manoloana ny firongatry ny tranga eo amin’ny fiarahamonina malagasy. 600 no tratran’ny fanolanana ny taona 2023 manerana ny nosy ary efa 133 sahady izany isa izany hatramin’ny volana janoary 2024 raha ny antontan’isa avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana.
 
📌 Misy ihany koa ny fanitsiana sy fanampiana ireo andininy ao anatin’ny lalana famaizana mikasika ny fanolanana. Ireo mpanolana zaza latsaky ny 10 taona dia sazy an-terivozona mandrapahafaty. Raha eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 13 taona dia sazy an-terivozona mandritra ny 15-20 taona antranomaizina. Ho an’ny trangana fanolanana zaza 13-18 taona dia manefa sazy an-terivozona 10 hatramin’ny 15 taona ireo voaheloka.
 
ⓒ Dépêche Informative Taratra

Related Post

𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…