FAHATRARANA OMBY HALATRA AVY AMIN’NY DISTRIKA MPIFANILABODIRINDRINA AMIN’I MIANDRIVAZO

324 0

📌 Tontosa ny talata faha 30 janoary 2024 ny famerenana soa amantsara amin’ny tompony ireo omby 14 very tao amin’ny fokotany Ambohitromby kaominina ambanivohitry Belobaka distrikan’i Tsiroanomandidy faritra Bongolava

📌 Marihina fa ny 26 janoary 2024 lasa dia nisy tranga fanafihan-dahalo ka naharatràna olona roa tao amin’io kaominina Belobaka io.

📌 Noho ny fiaraha-miasa ny zandary amin’ny distrika roa mpifanila-bodirindrina(Miandrivazo sy Tsiroanomandidy) dia azo avokoa ireo omby 14 ankoatra ireo 02 maty novonoin’ny dahalo, teo amin’ny kizon’i Mangarano fokotany Ankarabo kaominina Itondy.

📌 Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo amin’ny fisorohana sy fifehezana ireo asan-dahalo ary mbola mitohy hatramin’izao ny ezaka.

🆔 Nangonin’i Ra Pa – Menabe 

Related Post