FARITRA MENABE TAO MIANDRIVAZO NO NANOKAFANA NY FAMBOLEN-KAZO

431 0

Tao amin’ny fokotany Betalatala kaominina ambanivohitry Andranomainty distrikan’ny Miandrivazo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ho an’ny faritra ka velara_tany 25Ha no novolena zana-kazo 28.000 isa, nitarika ny hetsika moa ny talem-paritry ny tontolo iainana ny faritra Menabe notronon’ny Governoran’ny faritra Menabe sy ny solombavambahoakan’ny Miandrivazo ary ireo hery velona rehetra tao Miandrivazo izay notarihin’ny lehiben’ny distrikan’ny Miandrivazo.

Nilaza moa ramatoa solombavambahoaka fa isan’ireo distrika manatanteraka ny veloranon’ny filohan’ny repoblika ny distrikan’ny Miandrivazo amin’ny fambolen-kazo satria dia entanina ny isaky ny kaominina hamboly hazo ary tsy mamboly ihany fa manaramaso ireo hazo novolena ihany koa, izay hita soritra izany raha ireo azo novolena rehetra tanatin’ny roa taona, nanambara kosa ny Governoran’ny faritra Menabe fa isan’ireo faritra efa mizaka ny fahasimban’ny tontolo iainana ny faritra Menabe ka manentana ny rehetra mba hiara hisaly amin’ny fambolen-kazo ny tenany .

Vina sy adidin’ny minisiteran’ny tontolo iainana hoy ny talem-paritry ny tontolo iainana ato Menabe ny fanatratrarana ny Madagasikara rakotra ala ka misokatra zao ny taom_pambolen_kazo ny fitaleovam-paritry ny tontolo iainana dia manentana ny rehetra amin’ny fambolen-kazo izay vahaolana trotra hialana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana, izany indrindra no hanomezan’ny talem-paritry ny tontolo iainana zana-kazo maimaim_poana ho an’izay vonona hamboly mba hikajiana ny tranobe iombonana.

Nisaotra ny fitondrana ato Menabe nohon’ny nisafidianana ny kaominina ambanivohitry Andranomainty nanokafana izao fambolen-kazo izao ny ben’ny tanana nandritrin’ny fandraisany fitenena ary nanome toky fa hanaramaso sy hikolikoly ny hazo voavoly mba tsy hisy maty, raha tao amin’ny kaominina ambanivohitry Andranomainty no nanokafana ny fotoam_pambolen_kazo ho an’ny distrikan’ny Miandrivazo tamin’ny taona lasa dia 2% n’ireo hazo novolena no maty hoy ny ben’ny tanana dia tsy ho latsak’izay koa ity natao androany ity

Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…