Naiditra am-ponja vojimaika eny Tsiafahy ilay mpamily fiara fitateram-bahoaka nandona ka nahafaty mpitondra moto iray tetsy Mahamasina ny alin’ny asabotsy 20 janoary lasa teo.
Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nisy ny disadisa teo amin’ilay mpamily sy mpitondra moto miisa 04 satria voakasik’ity farany ny iray tamin’izy ireo .
Nisy ny fifanenjahana ka ny iray tamin’ireo mpitondra moto no nibahana teo alohan’ilay fiara fitateram-bahoaka mba hijanonany. Tsy nijanona anefa ilay mpamily fa vaomaika nandona sy nanitsaka ka niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zazalahy .
Natolotra ny fampanoavana androany alarobia 24 janoary ny raharaha ka izao izy nidoboka am-ponja izao.