Ny arivan’ny Alakamisy faha 18 Janoary 2024 taminy 8ora alina tao Sasala Alfred, monina ato fokotany Ankirondro avaratra kaomina Bemarivo Ankirondro distrika Belo sur tsiribihina raha nody avy nivarotra teny an-tsena ity mpiandry ity dia efa nanaraka azy ireo dahalo.
Rehefa tonga tao trano kely izy avy hatrany dia niditra ankeriny ireo dahalo, tao amin’ny paosiny trano atsimo izy no nihidy ka novakian’ireo dahalo tamin’ny basy ny varavarana dia voa ny tongony avy eo niditra izy ireo dia nitinifitra azy teo amin’ny tendany ka maty izy, avy eo naka entana ireo dahalo ka nosimbain’izy ireo ny sasany izay tsy noentiny . Namela kamboty dimy mianadahy moa ity mpiandry ity ka roa volana ny zanany farany.
Miha mahazo vahana tato ato ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny distrikan’ny Belo sur Tsiribihina ary saika mindranga ao avokoa ireo karazana asa ratsy toin’ny fanafiana mitam-piadiana, fankana an-keriny, fanolanana sy ny sisa ka manao antso avo ireo mponina fa toa very fanahy mbola velona izy ireo fa manjaka tanteraka ireo mpanao ratsy tsy misy voasam-botra ny mpitondra ao an-toerana toa mangina tsy misy handrenesam-peo manoloana izany ka miantso ny fitondrana foibe ny mba hijerena azy ireo ny mponina ao amin’ireo kaominina 16 mandrafitra ny distrikan’ny Belo sur Tsiribihina
Ilay mpiandry maty voatifitra
🆔 Nangonin’i Ra-Pa – Menabe