𝐙𝐀𝐙𝐀 πŒππŽπ‹π€ π“π’π˜ π‡π€π‘π˜ 𝐍𝐎 ππˆπ’π˜ ππ€ππ€π‘π˜ π“π„π“π’π˜ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ π’πŽπ€ππˆπ€πƒπ€ππ€ππ€ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€

72 0
 
πŸ“Œ Zaza kely mbola enim-bolana an-kibo, no nisy nanary tetsy amin’ny Fokontany Soaniedanana, Ankizy sendra nilalao no nahatsikaritra tsy lena na Sachet maintimainty teo amoron-drano no nahita ity izay nisy ny fatin’ity zazarano arak any filazan’ny taolo azy.
 
 
πŸ“Œ Ireo zaza ireo indray no nitatitra tamin’ny olon-dehibe teo an-tanana, ka dia vory ny ny manodidina nijery sy namantatra. Araka ny filazan’ny lehiben’ny Fokontany dia tsy nisy nahatsikaritra ny olona nahavita izao zava-doza izao ny tety amin’ny manodidina, fa tombanana ho tamin’ny andro alina no nanariana azy ity, fa misy kosa ireo mponina milaza fa mety navalany tamin’ny rano izy, nentin’ny rano, ka izao tafapetraka eto amin’ny Fokontany Soaniedanana izao.
 
πŸ“Œ Rehefa nampandre ny zava-misy tamin’Andriamatoa Ben’ny tanana ny mponina, dia naniraka ny ekipany nidina teny an-toerana, sady nitondra lamban-drazana hamonosana ny ny maty. Taorian’ny fitsirihana natao, dia nentina nalevina teny Manantenabe, izay toeram-pandevenana ny vahiny lavin-kavana eto Sabotsy Namehana.
 
πŸ“Œ Ry tanora, tandremo ny fitondran-tena fa tena tranga mampalahelo sy mampahory indrindra ny tahaka ity.
Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post