Fifantenana izay ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta.

297 0
Tamin’ireo anarana telo natolotry ny vondron’ireo solombavambahoaka maro an’isa avy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamiko dia Andriamatoa NTSAY Christian no notendreko ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta.
 
Mazava ny anton’ny safidiko satria mila olona za-draharaha sy mahitsy ary tsy mivadi-pitokisana ny fanatanterahana ny fampandrosoana tiantsika apetraka. Mila olona mahafehy ireo asa fampandrosoana sy ny fanatanterahana ireo vina efa natomboka ny tenako. Masina loatra ny fahatokisana napetraky ny vahoaka Malagasy amiko ary tsapako fa miandrandra fampandrosoana mipaka isan-tokantrano ny olom-pirenena. Noho izany dia mila mitondra vahaolana haingana sy maharitra isika eo amin’ ireo fanamby apetraka sy ny olana iainana hatrizay sy ankehitriny.
 
Tsy mora ny andraikitra sy asa hosahaniny, tsy vita mora ihany koa ny ady amin’ny fahantrana. Koa hatrehantsika miaraka izany mba hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy iray manontolo.

Related Post

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…