Fifantenana izay ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta.

451 0
Tamin’ireo anarana telo natolotry ny vondron’ireo solombavambahoaka maro an’isa avy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamiko dia Andriamatoa NTSAY Christian no notendreko ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta.
 
Mazava ny anton’ny safidiko satria mila olona za-draharaha sy mahitsy ary tsy mivadi-pitokisana ny fanatanterahana ny fampandrosoana tiantsika apetraka. Mila olona mahafehy ireo asa fampandrosoana sy ny fanatanterahana ireo vina efa natomboka ny tenako. Masina loatra ny fahatokisana napetraky ny vahoaka Malagasy amiko ary tsapako fa miandrandra fampandrosoana mipaka isan-tokantrano ny olom-pirenena. Noho izany dia mila mitondra vahaolana haingana sy maharitra isika eo amin’ ireo fanamby apetraka sy ny olana iainana hatrizay sy ankehitriny.
 
Tsy mora ny andraikitra sy asa hosahaniny, tsy vita mora ihany koa ny ady amin’ny fahantrana. Koa hatrehantsika miaraka izany mba hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy iray manontolo.

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…