Vao tsy ampy herinandro izay no nahatratra Jiolahy raindahiny @ fanafihana sy fanendahana nisesy teto andrenivohitra ny zandary avieo anivon’ny poste avancé soamanandrariny dia izao nahazo vokatra vaovao izao indray.
Antso voarain’ny #PA-soamanandrariny tamin’ireo olona norahonan’ity Jiolahy ity no niaingana t@ny fisamborana azy.
Basy POLETA 7,65mm no tratra tao antranona lehilahy iray 34 taona tao @fkt Ampatsy Soamanandrariny ny 25 desambra 2023.
Raha ny fanadihadihana;basy an’ny Jiolahy efa Maty voatifitry ny zandary Itaosy ity basy tratra niaraka t@ity Jiolahy tao antranony ity.
Ary efa 2 taona no nihazonany io basy io.
Vao nivoaka ny fonja ny volana aprily lasa teo ity Jiolahy ity (nisazy 10 volana tany antanimora Ary nataony tsara toerana ilay basy nandritra io 10 volana nisaziany io).
Manamafy hatrany ny zandarimaria ao amin’ny #tobin-jana-paritraSoamanandrariny fa tsy hisangy amin’ny fanafongorana ny asa ratsy rehetra ety amin’ny manodidina ;ary tsy tokony hisalasala ny mponina hiantso azy ireo rehefa misy tranga mampiahiahy indrindra amin’izao fety izao??
Nangonin’i Malala Tsa